• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cnews
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretina « dengue » : ny fivoaran’ireo soritr’aretina isan’andro

10/03/2026 15:52 © Moov.Mg

Aretina tsy dia resahana firy nefa tena misy eto amintsika ny « dengue ». Toy ny tazomoka dia azo avy amin’ny kaikitry ny moka izy io, ka ny moka atao hoe Aedes no mamindra azy. Mety mitarika fahasarotana ara-pahasalamana lalina ny « dengue », ary mety mahafaty mihintsy, raha tsy voatsabo ara-dalàna. Isan’ny fomba manampy amin’ny fiadina amin’izy ity ny fahafantarana ireo soritr’aretina mba hanantonana mpitsabo avy mialoha. Araho àry ny fivoaran’ny soritr’aretin’ny « dengue » amin’ny ankapobeny.

Soritr’aretina ny aretina « dengue » amin’ny andro voalohany

Tampoka be ny fiantombohan’ny soritr’aretin’ny « dengue ». Anisan’ireo mety mitranga ny :
-Tazo avo (39-40°C),
-Aretin’andoha mafy, indrindra ao ambadiky ny maso,
-Reraka tampoka,
-Fanaintainana manerana ny vatana.

Andro faharoa

Fanaintainana mafy amin’ny hozatra sy tonon-taolana (izany no nahazoany ny anarana hoe “tazo manapaka taolana”). Ankoatra izay dia mety :
-Mihena ny fahazotoan-komana,
-Maloiloy na mandoa,
-Reraka be.

Andro fahatelo

Amin’ny andro fahatelo dia mbola manavy be hatrany ny marary. Etsy andaniny :
-Mihamafy ny fanaintainana ao ambadiky ny maso,
-Indraindray misy mena-mena amin’ny hoditra,
-Fahalemena lehibe.

Andro fahefatra

Mety manomboka midina ny tazo. Miseho ireo soritr’aretina hafa, toy ny hoe :
-Misy zavatra mena madinika mipoitra eo amin’ny hoditra,
-Mangidihidy,
-Reraka be.
Amin’ity fotoana ity dia mety hisy « période critique » izay mampidi-doza amin’ny marary sasany.

Andro fahadimy

Matetika mihena ny tazo. Mety hiseho ireo famantarana mampiahiahy :
-Fanaintainana mafy ao an-kibo,
-Mandoa tsy mitsahatra,
-Mandeha ra amin’ny orona na amin’ny hihy,
-Fahalemena be.
Mila manatona dokotera haingana raha miseho ireo famantarana ireo.

Andro fahenina sy fahafito

Manomboka mihatsara ny fahasalaman’ny ankamaroan’ny marary. Ankoatra izay dia mety :
-Miharihary kokoa ny fery na teboka amin’ny hoditra,
-Mbola reraka fa manomboka mihatsara tsikelikely.

Aorian’ny herinandro na roa herinandro

Raha tsy misy fahasarotana ny aretina « dengue » dia lasa ny tazo aorian’ny herinandro na roa herinandro. Mety mbola hahatsapa reraka kely mandritra ny andro vitsivitsy.

Fanamarihana

Marihana fa ny fisehon’ny soritr’aretin’ny « dengue » isan’andro amin’ny ankapobeny ihany ireo nozaraina ireo. Tsy voatery hitovy izany eo amin’ny marary rehetra satria samy manana ny toe-batany sy ny hery fiarovany ny olona tsirairay.
Zava-dehibe ny manamarika fa mety hitovy ny soritr’aretina amin’ny tazomoka, izay fahita matetika eto Madagasikara ny fisehon’ny « dengue ». Ny fahasamihafana lehibe amin’ireo karazana aretina roa ireo dia :
-« Dengue » : fanaintainana mafy ary mety hisy fery mena amin’ny hoditra.
-Tazomoka : tazo miaraka amin’ny mangatsiaka sy hatsembohana be.

Lire la suite

Articles Similaires