Fomba fanaovana « poulet au coca »
Maro tokoa ny mankafy sakafo mamy-masira. Anisan’ireo nahandro mafilotra sy tena mora karakaraina ny « poulet au coca ». Izany hoe akoho andrahoina miaraka amin’ny « coca ». Tsy mila akora be dia be ny fanaovana azy, ary tsy mandany fotoana ihany koa. Araho ary ny fomba tsotra fanaovana « poulet au coca » ao an-trano.
Ireo akora ilaina raha hanao « poulet au coca »
-Akoho fakana nofony 1,
-Coca 33sl,
-Tongolo 1 lehibe,
-Tongolo gasy hasiny 2,
-Sauce soja 2 sotro fihinanana,
-Sira sy dipoavatra,
-Menaka.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Tetehana amin’ny habeny itiavana azy ny akoho. Sasana tsara dia avela hitsiaka anaty « passoire ».
Afanaina anaty vilany ny menaka tokony eo ho eo amin’ny 3 sotro fihinanana eo. Rehefa mafana dia endandasina eo ny akoho voatetika. Atao mahazo loko ny lafiny rehetra. Asiana sira sy dipoavatra.
Voasana ary tetehana manify ny tongolo. Endandasina miaraka amin’ny ilay akoho efa nahazo loko amin’ny hafanana antonony. Arotsaka ao manarak’izay ny tongolo gasy notetehana manify na voakiky.
Arotsaka ao anatin’ilay vilany misy ny akoho ny « sauce soja ». Aroharoana hifangaro tsara. Arotsoka manarak’izay ny « coca ». Aroharoana ary avela hitanika ambony afo malefaka mandritra ny adiny 1 ora eo ho eo mandrapahalemin’ilay akoho sy ridritra ny saosy.
Rehefa ritra somary madity ny saosy dia vita ny nahandro. Aroso mafana. Azo rarahana « sésame » kely sy zava-maitso toy ny kotomila, eo amboniny mba hanaingoana sy hanampiana tsiro azy.
Fanamarihana
Marihana fa tsy dia tsara hoanina matetika loatra ity nahandro ity noho izy matsiro sy misy « coca ». Ho an’ireo izay marefo ny vavony sy ny aty dia tsara raha akora natoraly toy ny tantely no ampiasaina hanomezana tsiro mamimamy itony karazana nahandro itony.




