Rivodoza Gezani : Fanampiana milanja 6,132 taonina avy amin’i Ejipta halefa any amin’ireo traboina
Mbola mitohy hatrany ny fandraisana ireo fanampiana ho an’ireo traboina, noho ny rivodoza Gezani. Manoloana ireo filàna mbola misy dia nanolotra fanampiana milanja 6,132 taonina teny amin’ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC) ny ejiptianina, omaly.
Natokana ho an’ireo tokantrano marefo indrindra izany fanampiana izany, ary laharam-pahamehana ny any Toamasina, alohan’ny hizarana azy amin’ireo mponina voakasika.
Fanampiana maika hamaliana ny filàn’ireo traboina
Tao amin’ny foiben’ny BNGRC etsy Antanimora no nanatanterahana ny lanonana ofisialy fanolorana ny fanampiana, notronin’ny Masoivohon’i Ejipta eto Madagasikara. Ny Tale Jeneralin’ny BNGRC no nandray izany tamin’ny anaran’ny Governemanta Malagasy sy ireo mpisitraka.
Ahitana vokatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy fitaovana ara-pahasalamana maro samihafa ny fanampiana voaray. Anisan’izany ny siramamy, menaka fihinana, voamaina, lafarina, vovo-dronona, paty ary fanafody. Tanjona amin’izany ny hanohanana ireo mponina niharam-boina vokatry ny rivodoza Gezani sy hanamafisana ny asa fanampiana vonjy taitra efa tanterahina eny an-kianja. Araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra dia halefa avy hatrany any Toamasina ireo entana mba hahafahana mamaly haingana ny filàna maika eny amin’ireo faritra voakasika.
Ireo tokantrano marefo no laharam-pahamehana
Hizotra araka ny rafitra efa napetraky ny fanjakana momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny fizarana ireo fanampiana. Ireo tokantrano marefo indrindra sy ireo faritra saro-dalana sy manahirana ny famatsiana ny filàna fototra no homena laharam-pahamehana.
Nambaran’ny BNGRC fa hanampy amin’ny fanamafisana ireo hetsika fanampiana efa tanterahina eny amin’ireo toerana misy traboina ity tohana ity. Antenaina ihany koa fa hanohana ny ezaka fanarenana sy famerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ireo mponina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza.
Nomarihina fa sady porofon’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ity fanampiana ity, sady fanohanana mivaingana ho an’ireo vondrom-piarahamonina mbola miezaka mamerina ny fiainany taorian’ny fahasimbana, vokatry ny rivodoza Gezani.




