Fitaterana : Nanomboka niantsona teny Amoronankona ireo fiara sasany hampiasa ny RN2 sy RN7
Nisokatra, tamin’ny fomba ofisialy, nanomboka androany 23 jona, ny Tobim-piantsonana Fisandratana Amoronankona. Efa nisy fiara fitaterana vitsivitsy teny an-toerana, androany. Araka ny efa nampahafantarina dia miisa 80 ireo Kaoperativa, mpampitohy ny RN2 sy RN7, vonona ny hampiasa ity toerana ity.
Fandaminana hanamorana ny fampiasana ny toerana
Tamin’ity androany, ity, raha ny hita teny an-toerana da mbola fiara vitsivitsy ihany no efa teny. Misy amin’izy ireo no vao hiainga ary tao anatin’izany ihany koa ireo tonga. Samy nahitana toy izao avokoa na ny avy amin’ny RN7, mianatsimo na ny RN2, mianavaratra sy atsinanana. Etsy ankilany dia mbola tsy feno avokoa ireo « box » isaky ny kaoperativa, satria raha ny fanamarihana dia miankina amin’ny fandaminan’ny Kaoperativa tsirairay, izany. Mbola vitsivitsy ihany koa ireo mpandeha. Raha ny notsipihina ihany koa dia efa feno avokoa ireo « box » miisa 80 ao an-toerana ireo. Ny orinasa G2TP moa no hitantana ny toerana, ary hiara-hiasa amin’ny fanjakana sy ny ATT ary ny kaoperativa, hatrany izy ireo.
Tamin’ity androany ity dia nanamarika ny avy amin’ny Minisiteran’ny fitaterana fa efa nisy ny fandaminana napetraka hanamorana ny fampiasana ny toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana ireo hitazona ny koperativa tsirairay na ny « guichetier ». Navahana tamin’ny alalan’ny loko ihany koa ny isaky ny « box » ho an’ny lalam-pirenena tsirairay. Ny loko mavo no hahafantarana ny kaoperativa mampitohy ny faritra eny amin’ny RN7 ary ny mena ho an’ny mampitohy ny faritany. Ny loko manga kosa ho an’ny RN2 rehetra.
Marihina fa efa mampiasa ny teknolojia avokoa ny eny an-toerana amin’ny fandraisana, sy fanarahamaso ny fiara sy ny mpandeha. Ahitana ny filan-kevitra, ho an’ireo izay tena mila izany, ihany koa eny.
Hamoraina ny fivezivezena mankeny an-toerana
Araka ny hita dia somary mivoaka ny tanan-dehibe ny toerana misy ity tobim-piantsonana vaovao ity. Saika ny fomba hahatongavana eny, avokoa, no nampisy ady hevitra tato ato. Nanamarika ny avy ao amin’ny Minisitera efa hisy ny lamina hapetraka, mba hanamorana ny fanatonana ny toerana.
Isan’izany fepetra noraisina izany ny fandaminana ireo lalan-jotra manodidina ny Renivohitra hihazo mivantana eny Amoronakona. Eo ihany koa ny fametrahana « navette » hampifandray an’Amoronakona amin’ireo Tobim-piantsonana lehibe hafa eto Antananarivo ary ny fampitomboana ny isan’ny zotra « Train Urbain » mihazo an’Amoronakona. Mbola tsy nisy moa izany, tamin’ity fisokafany ity, izay nifanindra-dalana tamin’ny fitokanan’ny mpamily « taxi-be ».




