• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fid
Image
Vaovao

Benenitra : Fotodrafitrasa sy fanatsarana ny fambolena ho fanamafisana ny fiveloman'ny mponina

20/07/2026 12:19 © Moov

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny fandaharanasa fanatsarana ny fambolena sy ny fitantanana ny rano ary ny fiarovana ny tontolo iainana, ao Benenitra. Tanterahin’ny Fonds d’Intervention pour le Développement (FID), amin’ny alalan’ny Asa Avotra Mirindra, izany. Tanjona ny hampitombo ny vokatra sy hanatsara maharitra ny fari-piainan'ireo tokantrano misitraka.

Fotodrafitrasa hanatsarana ny fitantanana ny rano

Tafiditra ao anatin’ny asa fampandrosoana ao amin'ny distrikan'i Benenitra, ity tanterahina ity. Laharam-pahamehana amin'izany ny fanatsarana ny fitantanana ny rano, izay fototry ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fiatrehana ny fiovaovan'ny toetr'andro.
Namboarina tamin'izany ny "bassin de captage" sy ny "bassin de collecte des eaux de ruissellement" tao Vohimena, Adabotoka, Sinivohitse, Ankilimary, Ambalavato ary Anadabo. Maherin'ny 380 metatra ny halavan'ny fefiloha vita nandritra ny dingana faha-4 sy faha-5 amin'ny tetikasa.
Ankoatra izay dia mirefy 700 metatra ny lakandrano vaovao natsangana hanangonana sy hitarihana ny ranon'orana. Tao Tanandava Bas sy Ehara kosa dia 10 130 metatra ny lakandrano nodiovina sy nohavaozina mba hanatsarana ny fikorianan'ny rano sy ny fanondrahana ny velaran-tany fambolena.

Fanatsarana ny fambolena sy fiarovana ny tontolo iainana

Nifantoka tamin'ny fanatsarana ny tany fambolena ihany koa ny fandaharanasa. Maherin'ny 8 hektara ny tany voaomana hambolena voly fihinana, toy ny tsaramaso, mangahazo ary voanjo, mba hampitomboana ny vokatra sy hanamafisana ny fiantohana ara-tsakafo. Etsy ankilany, notanterahina ny hetsika fiarovana ny tontolo iainana. Mirefy 1,18 hektara tao Ambalavato no voaaro tamin'ny fametrahana "cordons de pierres" hiadiana amin'ny fikaohan'ny tany. Tao Ankafotia kosa dia 4 hektara no nambolena hazo, ary zanakazo miisa 6 220 no novokarina ho fanohanana ny fambolen-kazo amin'ny fotoana manaraka.
Ireo asa ireo dia maneho ny fahavononan'ireo mpisitraka ao Benenitra hanatsara ny fomba famboleny, hitantana tsara kokoa ny harena voajanahary ary hanatsara maharitra ny fari-piainan'ny tokantranony.

Lire la suite

Articles Similaires