• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Fifaninanana hidirana ho mpianatra ho Polisy : Entanina ireo manana fahaizana manokana

21/07/2026 16:43 © Moov

Efa misokatra ny fametrahana antontan-taratasy hidirana ho mpianatra ho Polisy. Nanomboka ny 17 jolay teo izany ary hifarana ny 11 septambra 2026. Toy ny isan-taona dia miisa 1 000 ireo mpianatra, ho raisina, amin’ity taona 2026 ity.

Mahazo tombony kokoa ireo manana fahaizana manokana

Mizara amin’ny sokajy efatra (4) ireo mpianatra miisa 1 000, ho raisina ireo. Miisa 20 ny « Commissaire de Police », 30 ny « officier de Police », 100 ny « inspecteur de Police » ary miisa 850 kosa ireo ho raisina ho « agent de Police ». Marihina fa samy manana ny fepetra, ho azy tsirairay isaky ny sokajy. Ny « commissaire de Police » dia tokony 21 hatramin’ny 40 taona ary mirefy farafahakeliny 1m60 ny vehivavy raha 1m65 ny lehilahy ary manana ny mari-pahaizana « Master I ». Ireo te hiditra ho « Officier de Police » kosa dia 21 hatramin’ny 40 ans ary mirefy farafahakeliny 1m60 ny vehivavy raha 1m65 ny lehilahy ary manana ny mari-pahaizana « Bac+2 ». Ny « Inspecteur de Police » kosa dia mila 21 hatramin’ny 35 taona, farafahakeliny dia tokony ho 1m65 na lahy na vavy ary manana ny mari-pahaizana BAC. Ireo te hiditra ho « agent de police » kosa dia mila 21 hatramin’ny 30 taona, 1m65 farafahakeliny, na lahy na vavy ary manana ny mari-pahaizana BEPC.
Tao anatin’ny fanazavana izay nentina dia nentanina ny fandraisana anjaran’ireo, izay manana fahaizana manokana. Isan’ny voatonona tamin’izany ireo manampahaizana momba ny IT, ny « administrateur système et réseau », ny « technicien support informatique », ny « développeur », ny « administrateur de base de données », ny mpahay momba ny heloka an-habaka, ny « analyste fonctionnel et analyste métier », ny mpahay mozika, ny manam-pahaizana momba ny herinaratra sy ny rano ary ny mpampivelona.

Mila salama na ara-batana na ara-tsaina

Ankoatra ireo fepetra fototra tsy maintsy hananana dia voalaza fa tsy maintsy salama ara-batana sy ara-tsaina ireo mpianatra, te hiditra. Tao anatin’ireo fampahafantarana aza dia efa naparitaka ireo olana ara-batana, mety tsy hahatafiditra ho mpianatra.
Isan’izany ny « njola sy gila », ny « signe de Romberg » mihabo. Ny fahasamponana amin'ny ratsam-batana, ireo miady lohalika, ny vonkoka, ny olona tailana sy ireo tsy ampy ila. Eo ihany koa ireo fahasamponana hita miharihary amin'ny vatana, ny varisy hita miharihary ary ny hemoroida. Tsy afaka miadina ihany koa ny vehivavy mitondra vohoka. Tsy hahafahana miditra ho mpianatra ihany koa ireo mety ho tsy fahafahana manao ny asa maha-polisy, na andro na alina. Misy taratasy fenoina any amin’ny mpitsabo moa, ahafahana manamarina ireo rehetra ireo.
Marihina fa mandalo dingana roa avokoa, ny mpiadina amin’ny sokajy rehetra ka hotanterahina ny 26 sy 27 Septambra 2026, ny dingana voalohany.

Lire la suite

Articles Similaires