• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Ambilobe : Efa afaka handehanan’ny fiara rehetra ny fivilian-dalana ambony rano eo Mahavavy

20/07/2026 15:27 © Moov

Afaka ny fahasahiranan’ireo mpampiasa ny lalam-pirenena fahaenina (NR6), izay mandalo eo Mahavavy. Vita tanteraka ny fanarenana ny fivilian-dalana izay mandalo eo ambony rano ( déviation passage à gué ) izay notanterahina ka efa afaka mandeha avokoa ny fiara rehetra.

Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana

Vita 100% ny asa fanarenana ny déviation eo amin’ny passage à gué Mahavavy, eo amin’ny PK 568+720 amin’ny RN6, ao Ambilobe. Taorian’ny fahavitan’ny asa dia nosokafana tanteraka ho an’ny mpampiasa lalana io fivilian-dalana io, ka afaka mandalo tsy misy olana intsony ny karazana fiara rehetra, anisan’izany ireo kamiao lehibe milanja mihoatra ny 20 taonina.
Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra, dia miverina amin’ny laoniny tanteraka ny fifamoivoizana amin’ity ampahan-dalana ity. Ahafahan’ny olona sy ny entana mivezivezy ara-dalàna indray izany, indrindra ho an’ireo mpitatitra mampiasa ny RN6 isan’andro.

Manohana ny toekarena any avaratra

Efa ela no niandrasan’ny mpampiasa iny RN6 iny, ny fahavitan’ity fivilian-dalana ity. Raha tsiahivina dia baka no niampitana teo, nandritra ny fotoana naharitra, noho ny fahasimban’ny tetezana. Dingana lehibe amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa fitaterana any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara ny fahavitany. Ankoatra ny fanamorana ny fivezivezen’ny mponina mantsy dia antenaina ihany koa fa hanamora ny fitaterana ny vokatra sy ny entana, hampihena ny fahatarana amin’ny famatsiana ary hanohana ny fampandrosoana ara-toekarena eo an-toerana. Zava-dehibe indrindra izany ho an’ireo mpandraharaha sy mpitatitra entana izay miankina amin’ny RN6 amin’ny fampifandraisana ny faritra avaratra amin’ireo faritra hafa eto amin’ny Nosy.
Etsy ankilany, na dia efa misokatra aza ny lalana, dia manentana ireo mpamily sy mpampiasa lalana ny tompon’andraikitra mba hanaja hatrany ny fepetra momba ny fiarovana sy ny toromarika apetraka eny an-toerana. Izany dia natao hiantohana ny filaminan’ny fifamoivoizana sy hitandroana ny faharetan’ny fotodrafitrasa vao vita.

Lire la suite

Articles Similaires