• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minsan
Image
Vaovao

Fahasalamana : Nahazo fitaovana vaovao fitaterana sy fitahirizana vaksiny ny faritra Boeny

21/07/2026 14:31 © Moov

Mba hanatsarana ny fitaterana sy ny fitahirizana vaksiny, indrindra any amin’ireo faritra lavitra sy saro-dalana, dia nahazo fitaovana fampangatsiahana maoderina, ny faritra Boeny. Tanjona ny hiantohana ny kalitaon’ny vaksiny sy ny fahafahan’ny mpiasan’ny fahasalamana manatitra izany hatrany amin’ireo faritra lavitra indrindra.

Fitaovana natao ho an’ireo faritra saro-dalana

Fitaovana vaovao hoenti-mitahiry sy mitatitra vaksiny, ho fanamafisana ny rojom-pitahirizana (chaîne du froid), ity natolotra ity. Vata fampangatsiahana INDIGO azo averina fahanana (rechargeable) sy mora entina no natolotra nandritra ny lanonana. Novolavolain’ny EMK TEC izany, niaraka tamin’ny fanohanan’ny GAVI sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ny Global South Health moa no mizara azy, ary ny DCO no misolo tena izany eto Madagasikara.
Azo lazaina ho manaraka ny fenitra ilain’ny fitaterana fanafody io fitaovana io. Mahavita mitazona ny maripana ilaina hitahirizana vaksiny mandritra ny dimy andro izy, nefa tsy mila ranomandry na entona. Etsy ankilany dia tsy mila fikojakojana ny fitaovana ary mahatratra haingana ny maripana takiana. Mbola manana rafitra manara-maso tsy tapaka ny maripana, ihany koa izy. Ankoatra izany dia tsy idiran-drano, mitsingevana raha latsaka anaty rano, manana hadiry 1,7 litatra ary mifanaraka amin’ny fenitra OMS/PQS momba ny kalitao sy ny fiarovana.

Ho fanatsarana ny fanaovam-baksiny

Tao anatin’ny fampitaom-baovao, ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia nanambara fa antenaina hihatsara ny fahafahan’ny mpiasan’ny fahasalamana manatitra vaksiny any amin’ireo toerana lavitra sy saro-dalana. Hanampy amin’ny fitazonana ny kalitaon’ny vaksiny mandritra ny fitaterana izany, ka hanamora ny fanitarana ny fandaharan’asa fanaovam-baksiny manerana ny Nosy.
Ny fahazoana ity fitaovana ity dia maneho hatrany ny fiaraha-miasan’ny Governemanta sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ireo rehetra ireo izay samy mikendry ny hanamafy ny tolotra fanaovam-baksiny sy hiantohana ny fahazoan’ny vahoaka, vaksiny manara-penitra, manerana an’i Madagasikara.
Nanotrona ny lanonana moa ny Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, Dr Rakotoarimino Andrianina Désiré, ny solontenan’ny GAVI, ny Tale misahana ny Fandaharan’asa Fanaovam-baksiny (DPEV), ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Boeny, ny talen’ny LA2M, ary ireo tompon’andraikitra sy mpiasan’ny fahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires