• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Faha-65 taonan’ny Fitsarana Tampony : Miantso ny Malagasy hahatoky ny Fitsarana ny Praiminisitra

22/07/2026 06:29 © Moov.Mg

Nandritra ny fankalazana ny faha-65 taona nijoroan'ny Fitsarana Tampony teny Anosy, omaly 21 jolay, dia nanentana ny vahoaka malagasy hanana fitokisana ny Fitsarana ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Namafisiny fa anisan'ny laharam-pahamehana, ao anatin’ny fanavaozam-panjakana, ny fananganana Fitsarana matanjaka, marina ary manakaiky ny olom-pirenena.

Miandrandra Fitsarana marina sy mahitsy ny vahoaka

Nisongadina, nandritra ny lanonana ofisialy nankalazana ny faha-65 taona nijoroan'ny Fitsarana Tampony, omaly 21 jolay 2026, ny antson'ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana izay miantefa amin’ny Malagasy, dia ny mb hatokisana indray ny Fitsarana. Nilaza izy fa ilaina ny fanovana eo amin'ny fomba fiasa sy ny fomba fijerin'ny Fitsarana, indrindra amin'ny fitsinjovana ny madinika sy ny fiantohana ny rariny ho an'ny rehetra. Nambarany fa miankina amin'ny fisian'ny Fitsarana mahatoky, marina sy mahitsy no hahahafahan'ny firenena mampanjaka ny tany tan-dalàna.

Araka ny fanazavany, manohana tanteraka ny ezaka fanavaozana ataon'ny sehatry ny Fitsarana ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin'izany ny fikarakarana fikaonandoham-pirenena momba ny fampiharana ny lalàna, izay ho sehatra misokatra, hihainoana ny hetahetan'ny olom-pirenena momba ny endriky ny Fitsarana andrandrain'izy ireo.

Famelabelarany-kevitra ho an’ny rehetra

Namafisin'ny Praiminisitra fa Fitsarana matanjaka sy tsy mitanila no tanjona. Araka ny nambarany, tokony ho Fitsarana tokana no mitsara ny olom-pirenena rehetra, tsy anavahana, mba hahazoan'ny tsirairay rariny eo anatrehan'ny lalàna. Nampitandrina ihany koa izy, fa raha tsy tafapetraka ny rariny dia mety hitohy ny fanararaotam-pahefana sy ny tsy fahatokisan'ny vahoaka ny rafitra. Naneho fahavononana hiara-hiasa amin'ireo tompon'andraikitra rehetra ny fitondram-panjakana amin'ny fanamafisana ny fahaleovantenan'ny Fitsarana sy ny fanatsarana ny fampiharana ny lalàna.

Ankoatra ny lanonana ofisialy omaly, dia mbola hitohy ny fankalazana ny faha-65 taonan'ny Fitsarana Tampony. Anio 22 jolay dia hisy famelabelaran-kevitra sy adihevitra momba ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana, karakarain'ny Fitsarana momba ny Kaonty. Rahampitso 23 jolay kosa dia ny asan'ny Filankevi-panjakana no hasongadina, mandritra ny tontolo andro. Hisy ny fandefasana horonan-tsary, famelabelaran-kevitra ary adihevitra momba ny fanatsarana ny asam-pitsarana sy ny famolavolana didy aman-dalàna. Hofaranana amin'ny fifaninanana antsa sy tononkalo ny hetsika, izay misokatra ho an'ny olom-pirenena rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires