• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Top Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Allergie vokatry ny sakafo : andeha ho resahana !

02/05/2023 11:10 © Moov.Mg

Maro ireo olona tratry ny allergies avy amin’ny sakafo. Ny fihinana sakafo tsy zakan’ny vatana no antony voalohany mahatonga azy ireny. Ahoana ny fisehon’izany tsy fahazakana sakafo izany ? Inona avy ireo sakafo matetika mampisy allergies ?

Ny fisehon’ny allergie vokatry ny sakafo tsy zaka

Ny allergie avy amin’ny sakafo dia ny fitambaran’ireo fanehoan’ny vatana ny tsy fahazakany sakafo iray. Izany hoe rehefa mihinana ilay sakafo tsy zakany ny olona iray dia manohitra izany amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny hery fiarovany. Maro noho izany ny fomba fisehon’ny allergie vokatry ny sakafo.

Ny fipoitran’ny tandimerina sy mandrotsirotsy mangidihidy eo amin’ny vatana matetika no fambara voalohany amin’izany tsy fahazakana sakafo izany. Mety miova ihany koa ny feo rehefa miteny na rehefa mitomany (ho an’ny zaza sy ankizy). Rehefa somary mahery ilay allergie dia mety mivalana sy mandoa matetika ilay olona.

Fambara iray tokony mampatahotra ary ilaina fanantonana mpitsabo farak’izay haingana ny fivontosan’ny molotra, ny lela sy ny tenda. Mety hiteraka fahasemporana tokoa mantsy ny fivontosana ao anatin’ny tenda. Mety ho tratra izany allergie izany avokoa na ny ankizy kely na ny olon-dehibe. Afaka ho azy alohan’ny faha 5 sy faha 7 taona ny allergie vokatry ny sakafo hoan’ny ankamaroan’ireo zazakely tratra izany.

Marihana fa mbola tsy misy fanafody afaka manasitrana tanteraka ny allergie vokatry ny sakafo. Misy kosa anefa ireo fanafody omen’ny mpitsabo mba entina hampitony ireo fambara ny tsy fahazakana sakafo. Ny fomba mandaitra indrindra hisorohana ny allergie moa dia ny fifadiana ireo sakafo tsy zaka. Ilaina noho izany ny manantona mpitsabo ary manao ny fitiliana manokana ahafantarana ireo sakafo tsy zaka.

Ireo karazana sakafo matetika mahatonga allergie

Ny fihinana ireo karazan-tsakafo misy ny antsoina hoe « allergène » no mahatonga allergie. Koa satria tsy mitovy ny toe-batan’ny ankizy sy ny olon-dehibe dia misy fahasamihafana noho izany ireo karazana sakafo mampihetsika allergie azy ireo.

Eo amin’ny zazakely vao manomboka misakafo dia ny atody, ny rononon’omby, ny voanjo, fraise ary ny trondro no sakafo anisan’ny tsy zakan’izy ireo. Mila mitandrina tsara noho izany rehefa manome azy ireny ireo karazan-tsakafo ireo. Raha tsy maintsy omena izany ny zaza dia tsara raha atao mifanelanela andro maro ny fanomezana azy ireny tsirairay avy.

Eo amin’ny olon-dehibe kosa dia ireo hazan-dranomasina, toy ny patsa be, drakaka… no anisan’ny mampisy allergie matetika. Mbola tafiditra anatin’ireo sakafo misy allergène betsaka tsy mahazaka ihany koa ny atody, voanjo, chocolat, trondro, ronon’omby…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo