‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny aretina « psoriasis »
Aretin-koditra mitaiza miseho amin’ny alalan’ny faritra mivaramena, miofaka sy marokoroko amin’ny hoditra ny « psoriasis ». Maro ny olona tratry ity karazana aretina ity no tsy mahafantatra ny mikasika azy. ‘Ndeha ary ho resahana eto hoe inona tokoa ny « psoriasis », ny fomba fisehony, ny antony mahatonga azy sy ny fitsaboana azo atao.
Inona ny atao « psoriasis » ?
Araka ny voalaza eo ambony dia aretin-koditra mitaiza, izany hoe maharitra ela, ny « psoriasis ». Miseho amin’ny alalan’ny « plaques rouges » izay faritra menamena, marokoroko sy miofaka amin’ny hoditra izany. Vokatry ny fitomboan’ireo sela amin’ny hoditra haingana loatra no mahatonga ireo « plaques rouges » ireo.
Mety hitranga eo amin’ny faritry ny hoditra amin’ny vatana ny « psoriasis » fa eo amin’ny kihon-tanana, lohalika, hodi-doha sy ambanin’ny lamosina no misy azy matetika. Tsy mifindra ary tsy dia misy atahorana amin’ny fahasalamana ny « psoriasis ». Mety mahatonga henatra amin’ny hafa kosa ny fisiany noho izy manaratsy ny endriky ny hoditra.
Ireo antony mahatonga ny « psoriasis »
Tsy fantatra mazava hatreto ny antony mahatonga ny « psoriasis ». Araky ny voka-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana tany ivelany dia ny fototarazo (facteurs génétiques » sy anton-javatra maro samihafa no mety mahatonga izany. Anisan’izany ny rarin-tsaina, ny otrikaretina, ny fihinanana fanafody manokana, ny fiovan’ny « hormones ».
Ireo soritr’aretin’ny « psosiaris »
Miova arakaraky ny fiombon’ny aretina ireo soritr’aretin’ny « psosiaris ». Ireo fomba fisehony matetika mitranga dia :
-« Plaques rouges », miofakofaka sy marokoroko ;
-Mangidihidy ;
-Marokoroko somary mivonto ;
-Maina ilay faritry ny hoditra misy azy ;
-Manaintaina.
Ny fomba fitsaboana ny aretina
Ny fanantonana « dermatologue » na mpitsabo manokana ny aretin-koditra no tokony atao voalohany rehefa miseho ny iray na ny maromaro amin’ireo soritr’aretina voalaza ireo. Arakaraky ny « gravité » ny aretina no fomba hitsaboana izany. Mazava loatra izany fa raha fanafody nandaitra tamin’ny olona iray dia tsy voatery handaitra amin’ny olona iray hafa misy « psoriasis ». Amin’ny ankapobeny dia ny fanosorana « crèmes sy pommades » no fitsaboana ity aretin-koditra ity. Mety misy ihany koa karazana fanafody hafa asain’ny mpitsabo ampiasaina mandritra ny fotoana maharitra.
Tsara nefa ny manamarika fa tsy mbola misy hatreto ny fanafody manasitrana tanteraka ny « psoriasis ». Ny fitsaboana dia misoroka ny fiombon’ny aretina sy manampy amin’ny fampitoniana ireo soritr’aretina. Manampy betsaka amin’izany ihany koa ny fisotroana rano betsaka isan’andro, ny fampiasana vokatra manamandina ny hoditra, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, ny fanaovana fanatanjahantena ary ny fampitoniana ny rarin-tsaina.