• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
Asa & Fianarana

Toeram-piasana : fantaro ireo vokatsoan’ny fandokafana ny hafa

01/04/2024 14:37 © Moov.Mg

Ankalazaina isaky ny 01 martsa isan-taona nanomboka ny taona 2003 ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandokafana (compliment). Famporisihana sy fampatsiahivana ny tsirairay amin’ny maha zava-dehibe ny fandokafana ny hafa no anton’izany. ‘Ndeha ho resahana manokana eto ny vokatsoan’ny fandokafana eo anivon’ny toeram-piasana.

Mampitombo ny favitrihana fahazoana doka ao amin’ny toeram-piasana

Araky ny valin’ny fikarohana iray natao tany ivelany dia voamarina fa misy fiantraikany amin’ny fampitomboana ny fahavitrihana miasa ny fahazoana doka ao amin’ny toeram-piasana. Marisika ary mazoto miasa kokoa ny mpiasa iray rehefa mahazo teny fankasitrahana avy amin’ny lehibeny na avy amin’ny mpiara-miasa aminy rehefa nahavita asa tsara. Fahazarana mbola tsy dia fahita anatin’ny toeram-piasana eto amintsika izany nefa dia ilaina tokoa mba handrisihana ny mpiasa hiezaka hatrany amin’ny fanatanterahana ny asany.

Mampitombo ny fahatokisan-tena

Maro amintsika Malagasy no manana olana amin’ny tsy fahatokisan-tena, indrindra eo amin’ny lafiny ara-kasa. Na dia fantatra fa voafehy tsara aza ny asa ampandraiketina dia misy foana ilay fanahiana ao anaty hoe « sao tsy ho vitako izany ? »… Sakana iray tsy mampandroso amin’ny asa nefa ny tsy fahatokisan-tena. Izany indrindra no antony iray lehibe ilaina ny fandokafana sy ny fankasitrahana ny mpiasa ao amin’ny toeram-piasana.

Ny fomba atao rehefa handoka sy hankasitraka ao amin’ny toeram-piasana

Samy afaka mandoka avokoa na ny mpiara-miasa na ny lehibe (managers) ao amin’ny toeram-piasana. Misy kosa nefa ireo fepetra arahina rehefa manatanteraka izany mba ahazoana ny vokatsoa avy amin’izany :
-Atao an-kitsim-po, izany hoe atao vokatry ny fo ny fandokafana atao fa tsy fanesoana ;
-Fidiana ny antony handokafana olona iray amin’ny asa fa tsy atao fahazarana fotsiny ;
-Arahina fampaherezana hatrany ny fankasitrahana atao mba amporisihana ilay olona handroso sy hahomby amin’ny asany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo