• Cours de change
  • 5125.25 AR
  • |
  • $4409.42 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Olan’ny jiro sy rano eto Madagasikara : Isan’ny tompon’antoka ny fiovan’ny toetr’andro, hoy ny filoham-pirenena

10/11/2024 22:14 © Moov.Mg

Fanazavana momba ny krizin’ny jiro sy rano misy ankehitriny, ary koa fanolorana ireo vahaolana fohy ezaka sy lavitra ezaka aroson’ny Fanjakana, no niompanan’ny tafa nivahinianan’ny filoha Andry Rajoelina mivantana tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, androany 10 novambra 2024.

Miantraika amin’ny fihariana

Niaiky avy hatrany ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, fa misy fiantraikany lalina amin’ny fiainan-tokantranon’ny olona, amin’ny fihariana na madinika na salantsalany, na amin’ireo orinasa vaventy, ny delestazy, ary Antananarivo no tena isan’ny nizaka ny mafy indrindra tamin’izany. Nanazava ireo antony maromaro mitarika ny tsy fahampian’ny herinaratra ny filoha, ka notanisiany voalohany tamin’izany ny fiovan’ny toetr’andro, izay olana ara-tontolo iainana maneran-tany. Tamin’izany no nilazany fa tsy i Madagasikara irery no voakasiky ny fanapahan-jiro, fa firenena maro aty Afrika ihany koa no voatery miroso amin’izany, noho ny fiakaran’ny maripana, izay miteraka faharitan’ny rano tokony hanodina ireo milina mpamokatra herinaratra.
Olana navoitran’Atoa Andry Rajoelina ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana, na ny eo anivon’ny Jirama, na eo anivon’ny ministera misahana ny angovo, izay miseho amin’ny endrika fitavozavozana eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, na ihany koa mitarika fahadisoana, na tsy fahatomombanana, toy ny eo amin’ny fandoavan’ny Jirama ny tokony ho vidin-tsolika hanodinana ny « groupe », na ihany koa ny faktioran-jiro midangana tonga any an-tokantrano…

Fotodrafitrasa isan-karazany

Nibahana, tao anatin’ity resadresaka naton’ny filoha Andry Rajoelina ity, ny fitanisana ireo karazana vahaolana hanatsarana ny famatsiana jiro sy rano eto Madgasikara. Isan’ny goavana ao anatin’izany, ary nambarany fa efa ao Tomasina, ny « groupe » lehibe nafarana avy any Inde, izay afaka mamokatra herinaratra 105 MW. Ho tafapetraka mialohan’ny volana aprily 2025 izany, hoy izy. Efa tonga ao Toamasina ihany koa ireo fitaovana hanamboarana « parc solaire », izay ho afa-mamokatra herinaratra 50MW, ka natokana ho an’Antananarivo ny 20MW amin’izany. Isan’ny fotodrafitrasa nambaran’ny filoha Rajoelina fa haorina afaka herinandro vitsivitsy, ny toho-drano « barrage hydroélectrique » any Ranomafana, izay hamokatra herinaratra 64 MW, ho vita ao anatin’ny 3 taona. Santionany ihany ireo, ankoatra ireo vahaolana fohy ezaka sy lavitra ezaka hafa notanisainy.
Momba ny rano, dia voalaza nandritra ny fandaharana, fa olana lehibe ny fahanteran’ny fotodrafitrasa eny Mandroseza. Vahaolana ho an’Antananarivo, ny fanorenana ny fitahirizan-drano vaovao eny Amoronakona, izay hanomboka tsy ho ela. Hisy fotodrafitrasa tahaka izany ihany koa hapetraka eny Faralaza sy Ambohijanaka. Nambaran’ny filoham-pirenena fa ankoatra ny fihenan’ny famokarana rano, dia isan’ny miteraka olana amin’ny famatsiana rano ny fahaverezan’ny 30%-n’ny rano voadio, noho ny fantsona fizarana rano isan-tokantrano efa simba, vaky, ary koa arafesina. Hisy, noho izany, ny fanoloana ireo fantsona efa ratsy, izay mirefy 64 km. Hanomboka amin’ny volana martsa 2025 izany asa izany. Hisy ihany koa ny fanitarana fantson-drano mirefy 50km, ho famatsiana ireo tanàna eto Antananarivo, izay mbola tsy misitraka rano.

Nanamarika moa ny filoha Andry Rajoelina, fa voatery nanapahana ny teti-bolan’ireo ministera samihafa, fa tsy ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena irery ihany akory, mba ahafahana mividy solika, hampihodinana ireo milina mpamokatra herinaratra mila izany, ho fampihenana ny delestazy. Tsy hisy intsony izay delestazy izany, eto Antananarivo, eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 10 ora alina.

Lire la suite

Articles Similaires