Yas Madagasikara – Lalao’tsika : Lasan’i Roussel sy Rafidison Antoine ny moto « scooter new eagle 50 Nitro »
Tapitra ny lalao nokarakarain’ny orinasa Yas Madagasikara izay nomena ny anarana hoe Lalao’tsika. Notanterahina tamin’ity androany ity ny fanolorana ireo loka goavana ho an’ireo mpandresy. Moto miisa roa no loka goavana indrindra tamin’izany.
Moto hatramin’ny lelavola 4 000 000 ariary
Naharitra iray volana teo no nanatanterahana ny lalao rehetra. Ireo mpanjifa nampiditra « offre » 1 000 ariary noho mihoatra no nandray anjara tamin’ny fisarihana ka afaka nisitraka ireo loka isan-karazany. Tao anatin’izany dia moto « scooter » miisa roa no loka lehibe indrindra raha lelavola mitentina 4 000 000 (4 tapitrisa) ariary ny farany. I Roussel sy i Rafidison Antoine no tsara vintana nahazo izany moto izany. Natolotra azy ireo ny taratasy momba izany tamin’ity anio ity. Tamin-kafaliana no nandraisan’izy ireo izany ary isan’ny efa niriana ihany koa ity fitaovam-pitaterana ity, raha ny fanazavan’izy ireo. Entina indrindra hialana amin’ny fitohanana eto an-drenivohitra.
Ankoatra ireo moto ireo dia olona hafa miisa 28 ihany koa no nahazo ireo loka samihafa. Tao anatin’izany ny finday, ny fahitalavitra, ny PS5, ny lelavola, ny fitaovan-dakozia samihafa ary ireo tolotra samihafa ao amin’ny orinasa Yas, toy ny « fibre GO » haharitra 12 volana.
Andiany fahefatra
Nomarihin’ny avy ao amin’ny orinasa Yas Madagasikara fa andiany fahefatra ity notanterahina ity. Lalao izay efa handrasan’ireo mpanjifa isa-taona. Tsara ny mampatsiahy fa efa nanomboka ny 20 desambra ny lalao ary nifarana ny 4 febroary lasa teo. « Tanjon’ity lalao ity dia ny mba hampahafantarana ireo tolotra rehetra afaka hampiasaina sy fitiavana te hanome loka ny mpanjifa fotsiny », hoy i Kanto Rasendralahy, Chargé d'étude et analyse marketing, mpisolo toerana, ao amin’i Yas. Ankoatra izay moa dia efa nisy ihany koa ny fizarana fanomezana isan-karazany nandritra ny fotoan’ny lalao. Tao ny fahana, ny data sy ireo tolotra samihafa.