image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 15

Salama daholo tompoko,

Misy fanontaniana manitikitika ny saiko ity ry zareo, tiako mba ho fantatra ny hevitrareo :

Inona no metimety aminareo :
Manana asa antonontonony ny fidiram-bola (tsy misy asa ratsy na ambany aloha an), sady azo lazaina hoe tsy mbola fantatra ny faharetany, fa mahafaly anao sy tianao ilay izy, sa manana asa mampidi-bola be mintsy sady azo atokisana ny faharetany, nefa lasa "tsy maintsy" aminao, zany hoe "obligation" aminao ny manao azy, tsy ahitanao fifaliana mintsy amin'ny ankapobeny ?

Misaotra anareo izay maneho hevitra


Salama e
Izaho manokana aloha raha teo amin'ny toeranao dia izay asa mampidi-bola be. Marina hoe idéal be raha sady tiana ny asa no mampidi-bola fa aleo asa mampidy bola toa izay asa kely karama. Izaho mantsy izao tiako ny asako anefa tsapako ho kely ny vola miditra amiko dia mihena ho azy ny motivation. Mikaroka asa ho atao vadiny fatratra aho fa mbola tsy mahita hatreto


Heri_ Mankasitraka anao amin'ny fanehoan-kevitra. Ary mirary soa indrindra anao amin'ny fanampin'asa izay tadiavinao :)