• Cours de change
  • 5165.34 AR
  • |
  • $4455.25 AR
Copyright Image : © Santé Éducation
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo vokatsoa azo amin’ny fihinanana voana baobab

15/09/2025 13:45 © Moov.Mg

Hazo lehibe miavaka nohon’ny endriny hafakaly sy ny fahavelomany ela dia ela ny baobab na renala. Azo trandrahana avokoa na ny hazony, ny raviny, ny fakany sy voan’izy ity. Azo hoanina moa ny voana baobab ary maro ireo vokatsoa azo avy amin’izany. Araho eto ary ny santionany amin’ireo vokatsoa azo amin’ny fihinanana voana baobab.

Vokatsoan’ny fihinanana voana baobab : « fortifiant naturel »

Ny voana baobab dia manampy amin’ny fanamafisana natoraly ny vatana. Mitahiry « acides organiques », « calcium » ary vitamina C amin’ny tahany ambony tokoa mantsy ity voankazo ity ka manana fiasa « fortifiant naturel » eo amin’ny vatana. Noho izany, ny fizarana mihinana voana baobab dia manampy amin’ny fiadiana amin’ny harerahana.

Manampy amin’ny fandraisan’ny vatana ny « fer »

Noho izy manankarena vitamina C dia mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fandraisan’ny vatana ny « fer » ny voana baobab. Ny « fer » dia mineraly tena ilain’ny vatana. Izy io mampifikitra sy mampikoriana ny « oxygène » ao amin’ireo sela rehetra. Ankoatra izay dia manampy amin’ny fiasan’ny « cycle respiratoire » an’ireo sela amin’ny hozatra ny « fer ».

Manamafy ny hery fiarovana

Ny voana baobab ihany koa dia mitahiry fibra betsaka. Ny fibra dia tena ilaina amin’ny famokarana sy fanamafisana ny hery fiarovana ao amin’ny vatana. Ny habetsahan’ny tahan’ny fibra ao amin’ity voankazo ity dia mitondra vokatsoa « prébiotiques » sy « probiotiques ». Manampy amin’ny fandrisihana ny fiasan’ny « flore bactérienne » sy amin’ny fanatsarana ny fahasalamana amin’ny ankapobeny ny fihinanana azy.

Lire la suite

Articles Similaires