• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Au Pays De Chateaubriant
Image
Asa & Fianarana

Asa mahavelona : tsy voatery mitana birao !

22/02/2023 08:26 © Moov.Mg

Matetika isika dia mieritreritra hoe ny miasa birao ihany no atao hoe asa, indrindra raha nandrato fianarana teny amin’ny oniversite. Ka rehefa tsy mahita asa mitana birao dia toa very hevitra tanteraka. Mila fantarina anefa fa betsaka ny sehatr’asa tsy miasa birao nefa tena mahavelona tokoa. Andao anie resahana e !

Ireo asa mivelona amin’ny tany

Maro ny asa fivelomana miankina amin’ny tany. Anisan’izany ny fambolena sy ny fiompiana, ny fandrarahana miompana amin’ireo vokatra avy amin’ny tany toy ny hazo, ny vary, ny lavanila, ny vato… Seha-pihariana malalaka ary mahomby tokoa ny fivelomana miankina amin’ny vokatry ny tany ary ampahany ihany ireo voatanisa ireo. Ilaina finiavana, fikirizana sy fahaiza-mitantana tsara kosa ny fampiroboroboana izany.

Ireo asa tanana

Manan-talenta amin’ny fanaovana asa tanana ny Malagasy. Mandrary, manjaitra, manao osodoko, manao sary sikotra sy ny maro hafa koa. Tsy vitsy ireo olona manangana orinasa amin’io sehatr’asa io. Afaka atao ny mivarotra ireo vokatra eto an-toerana na koa mitady lalam-barotra any ivelany avy eo manondrana. Miankina betsaka amin’ny fahaiza-manao, ny faihaizana mikaroka zava-baovao ary ny finiavana ny hivoatra no mampiroborobo ny fivelomana amin’ny asa tanana.

Ny varotra

Ny varotra no anisan’ny sehatr’asa mahasarika indrindra an’ireo olona miasa-tena eto Madagasikara. Masahana sehatra maro ny varotra. Ao ireo mivarotra ny vokatra novokariny ihany. Ao ihany koa ireo mivarotra vokatra novidina mba hakana tombony. Voarakitra ao amin’ny sehatry ny varotra avokoa na ny fivarotana sakafo, fitafy, fiara, trano, tany, kojakoja maro isan-karazany… Samy manana ny mpanjifa kendreny na ny orinasa lehibe misehatra amin’io asa io na ireo olon-tsotra miasa-tena. Manampy betsaka ny varotra ihany koa amin’izao fotoana izao ny firoborobon’ny teknolojia. Ohatra amin’izany ny fivarotana ao amin’ny Facebook.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo