• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Upec
Image
Asa & Fianarana

Sady miasa no mianatra : ahoana no fomba atao andrindrana izany ?

28/02/2023 14:48 © Moov.Mg

Maro ireo olona efa miasa nefa te hanohy fianarana. Tsy mora tokoa izany, sady miasa no mianatra izany, indrindra raha efa manana ankohonana. Ahoana ary ny fomba atao mba ahavitana mandrindra ny asa sy ny fianarana ?

Mitady toeram-pianarana ahafahana sady miasa no mianatra

Mila jerena mialoha ny toeram-pianarana ho an’ireo olona miasa amin’ny orinasa. Tsy ho afaka mamonjy lakilasy toy ny mpianatra rehetra tokoa mantsy rehefa tsy maintsy miasa adiny 8. Efa mihamaro ankehitriny ireo oniversite afaka hianarana « à distance ». Izany hoe, any an-trano no mianatra, rehefa alina sy faran’ny herinandro. Anisan’ny oniversite malaza amin’izany ohatra ny CNTEMAD sy ny ENS. Manome boky fianarana izy ireo ary mampanao fanadinana ahazoana diplaoma ara-panjakana.

Miezaka mandamina fotoana rehefa sady miasa no mianatra

Alamina tsara ny fotoana mba ampirindra tsara ny asa sy ny fianarana. Mila mifantoka tsara amin’ny asa atao rehefa any am-pianarana. Ny fianarana indray no ilofosana rehefa tonga any an-trano. Mora kokoa ny fanatanterahana azy roa tonta ireo raha hajaina tsara ny fotoana natokana ho an’ny tsirairay. Tandremana tsara tsy ho atao antsirambina ny andaniny na ny ankilany. Tsy adinoina ny mampahafantatra sy miera ny ao am-piasana rehefa misy fanadinana mila atao eny amin’ny toeram-pianarana.

Manana faharetana sy fikirizana

Mila miaritra sy mikiry rehefa misafidy ny sady iasa no mianatra. Tsy mora ny asa miandry sy ny arerahana takian’izany. Afaka tanterahina tsara anefa izany. Betsaka ny olona nahavita hatramin’ny farany ny fianarany na dia efa niasa aza. Tsy mahazo kivy na miraviravy tanana rehefa sedra mafimafy eo amin'ny lafiny ara-kasa na ara-pianarana. Atao mafy tsara ny saina ary mifikitra amin’ny tanjona izany napetraka. Afaka atao fitaratra ireo renim-pianakaviana malagasy nahavita sady niasa no nianatra nefa ny zaza sy ny tokantrano nokarakaraina tetsy andaniny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo