• Cours de change
  • 4632.19 AR
  • |
  • $4362.2 AR
Copyright Image : © Le Jardin De Ma Grand-Mère
Image
Asa & Fianarana

Inona avy ireo karazana vadin’asa mahomby afaka atao ?

01/03/2023 15:13 © Moov.Mg

Tsy mitsahatra ny miakatra ny vidim-piainana. Tsy ampy ivelomana intsony ny asa fototra ho an’ny ankamaroan’ireo mamelona ankohonana. Maniry hanana fidiram-bola fanampiny ve ianao ? Ireto ary misy karazana vadin’asa mahomby afaka atao mba hampitombo ny vola miditra ao an-tokantrano.

Mianatra sy manao asa tanana, vadin’asa afaka ampiroboroboina

Betsaka ny asa tanana afaka atao vadin’asa. Tsy voatery manana talenta manokana vao afaka manao asa tanana. Afaka hianarana tsara ny ankamaroan’izy ireny : manjaitra, mandrafitra, mandrary, manao sakafo sy mofomamy… Efa maro ihany koa ankehitriny ny toeram-panofanana miompana amin’ireny karazana asa tanana ireny. Anisan’ny fampiofanana nalaza be tato ato ny fanamboarana savony sy fromage vita malagasy. Sehatr’asa afaka atao vadin’asa ary afaka miroborobo tsara izy ireo satria ilain’ny olona foana amin’ny andavanandro. Rehefa nahavita ny fiofanana dia anjaran’ny tsirairay no manatsara sy manao izay mampiavaka ny asa tanana nosafidiany.

Mampiasa vola amoronana vadin’asa

Afaka mamorona vadin’asa mahomby ihany koa raha manana lelavola am-pelatanana. Maro ny sehatra afaka idirana. Anisan’izany ohatra ny manao ireny « cash point », manao taxi na taxibe, manokatra orinasa kely toy ny fanaovana volo, cyber… Mila mampiasa olona hitantana azy anefa ireo sehatra voalaza ireo raha atao vadin’asa manokana. Mba hampahomby sy hiroborobo azy, mila mijery olona ahatokisana tsara hitantana azy. Atao mazava tsara dieny voalohany ihany koa ny fifanarahana rehetra : karama, tombom-barotra, andro hiasana…

Manao fiompiana

Azo atao vadin’asa tsara ny fiompiana, indrindra ho an’ireo izay manana toerana afaka anatanterahana izany. Tsy voatery ho fiompiana goavana be no atao. Miankina betsaka amin’ny vola am-pelatanana sy ny toerana misy. Ny fiompiana akoho amam-borina dia efa afaka ahazoana tombony tsara raha kelikely ny tokontany ampiasaina. Raha somary ambanivohitra dia vadin’asa mahomby tsara ny fiompiana kisoa, akoho manatody lava, poulet de chair sy omby be ronono. Mila finiavana sy fahaiza manao kosa anefa ny fiompiana raha tiana hampidi-bola tsara. Mety kokoa raha manaraka ireny fampiofanana ireny vao manomboka miompy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo