• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Parents31
Image
Asa & Fianarana

Fidiran’ny mpianatra : Torohevitra hampazoto ny ankizy hiverina an-tsekoly

04/09/2023 13:33 © Moov.Mg

Maro ireo ankizy kamokamo sy midongy tsy mety handeha hianatra rehefa fidirana toy izao. Lava tokoa ny fialan-tsasatra lehibe ka misy ireo mbola maniry hijanona ao an-trano hilalao. Ahoana ary ny fomba atao hampazoto ny ankizy hiverina an-tsekoly indray ?

Mividy kojakoja vaovao hampazoto ny ankizy hiverina an-tsekoly

Anisan’ny fomba iray azo atao hampazoto ny ankizy hiverina an-tsekoly ny fividianana akanjo sy kiraro vaovao ho azy ireo entiny mianatra. Marisika tokoa izy ireo handeha hianatra satria afaka manao jejojejo anatin’ny kojakoja vaovao. Matetika ary moa dia lasa tsy andrin’izy ireo mihitsy ny handehanana mianatra hanaovana ireo kiraro sy akanjo vaovao. Marina fa samy manana ny enti-manany ny ray aman-dreny tsirairay avy, nefa tsy tokony atao ambanin-javatra ny fampitaovana ny ankizy. Tsy voatery fitafy sy kiraro be dia be ihany koa no vidiana fa rehefa misy iray na roa entina amin’ny fidirana mianatra dia efa ampy.

Averina tsikelikely ny fahazarana sy ny rotoroto

Misy tokoa ireo fahazarana sy rotoroto iainan’ny ankizy sy ny ray aman-dreny nohon’ny fianarana. Ho an’ny ankizy madinika dia tsara raha averina tsikelikely ireo fahazarana ireo fa tsy tonga dia apetraka vao miverina an-tsekoly. Tsiahivina fa nizatra natory maraina, nilalao, niala voly… ny ankizy tao anatin’izay herinandro maro nandrakotra ny fialan-tsasatra izay. Rariny izy ireo raha mbola tsy vonona tsara, ara-tsaina sy ara-batana, hiatrika ny fidiran’ny mpianatra. Entina hanampiana azy ireo dia averina miandalana ny fahazarana rehetra. Ohatra : tsy atao aloha loatra ny fifohazana maraina, avela milalao kely rehefa avy mianatra fa tsy terena hamaky lesona…

Ampatsiahivina ny ankizy ny maha zava-dehibe ny fianarana

Mba hampazoto ny ankizy hiverina an-tsekoly dia ampahatsiahivina azy hatrany ny maha zava-dehibe ny fianarana. Lazaina azy hoe manampy azy hahay zavatra vaovao maro ny fandehanana mianatra. Ampahafantarina azy fa mila mianatra tsara mba hahafany mahazo asa tsara sy tiany rehefa any aoriana. Izany hoe atoro azy avokoa ireo lafy tsaran’ny fandehanana mianatra. Atao am-pitoniana sy am-pitiavana ny firesahana amin’ny ankizy mba ho voarainy tsara ireo zavatra ampitaina aminy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo