• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Kiriasse
Image
Asa & Fianarana

Ahoana no atao hanatsarana ny fitantohana amin’ny asa ?

05/09/2023 16:13 © Moov.Mg

Arerahana, tabataba ny manodidina, adin-tsaina… maro ireo toe-javatra mampihena ny fifantohana rehefa miasa. Manampy betsaka amin’ny fahombiazana ara-kasa nefa ny fahaizana mifantoka amin’ny zavatra atao. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy hanatsarana ny fifantohana amin’ny asa.

Fantarina ireo toe-javatra manakana ny fifantohana amin’ny asa

Tsy voatery hitovy ny fahafahana mifantoka eo amin’ny olona tsirairay. Toy izany ihany koa ireo toe-javatra mety manakana ny fifantohana amin’ny asa. Misy ohatra ireo tsy mahazaka tabataba, eny na dia hira mandeha aza. Misy kosa ireo tsy misy olana amin’izany fa mifantoka hatrany na dia miresaka sy miteny mafy aza ny mpiara-miasa eo akaiky. Mba hanatsarana ny fifantohana amin’ny asa dia mila fantarina mialoha ireo toe-javatra mety manelingelina ny tena. Rehefa fantatra izy ireny dia miezaka mitady vahaolana miady amin’izany. Ohatra, mampiasa fitaovana fanampenan-tsofina raha misy asa enjehina ka mila mifantoka tsara.

Mametraka lamina sy fotoana hanatanterahana ny asa

Fomba iray manatsara ny fifantohana amin’ny asa ny fametrahana lamina sy fotoana hanatanterahana ny asa atao mandritra ny tontolo andro. Izany hoe efa atao lisitra ny zavatra tokony atao sy ny fe-potoana anatanterahana izany. Rehefa manaja izany lamina izany dia lasa mifantoka ho azy ny saina mba hanajana ny fandaharam-potoana. Miezaka hatrany tsy hierikerika sy hanaka-dresaka amin’ny manodidina mba ho tapaka ny fifantohana.

Mandamina ny saina sy ny fomba fiainana amin’ny ankapobeny

Anisan’ireo toe-javatra manakana ny fifantohana amin’ny asa ny adin-tsaina sy ny arerahana vokatry ny tsy fahampiana torimaso. Mba hiadiana amin’izany dia ilaina ny fahaizana mandamina ny saina sy ny fanamboarana ny fomba fiainana amin’ny andavanandro. Raha azo atao dia ezahana vahana any an-trano ireo olana mampiasa saina, toy ny adi-mivady, ny olana ara-bola ao an-tokantrano, ny ditran’ny ankizy… Mba hisorohana ny harerahana diso tafahoatra dia fadiana arak’izay azo atao ny miari-tory indrindra amin’ny andavanandro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo