• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © La Depeche
Image
Asa & Fianarana

Fifantohana amin’ny asa aorian’ny fialan-tsasatra ?

06/09/2023 15:56 © Moov.Mg

Toy ny fiverenana an-dakilasy ho an’ny mpianatra dia somary mampalaina ihany koa ny miverina miasa rehefa vita ny fialan-tsasatra. Miverina indray ny fifohazana maraina sy ny rotorotom-piainana andavanandro. Ahoana ary no fomba atao mba hazoto sy hifantoka amin’ny asa rehefa miverina avy any amin’ny fialan-tsasatra ?

Miomana ara-tsaina mba hifantoka amin’ny asa aorian’ny fialan-tsasatra

Tsy mora tokoa ny miverina miasa rehefa avy niala sasatra nandritra ny andro maro. Mahatsiaro tena kamokamo, mitaintaina hiverina hamonjy ny toeram-piasana sy hiatrika ny asa miandry. Matetika moa dia tsy mifantoka amin’ny zavatra atao ny saina satria mbola mieritreritra ny fotoana nahafinaritra nandritra ny fialan-tsasatra. Mba hazoto sy hifantoka amin’ny asa aorian’ny fialan-tsasatra àry dia mila miomana ara-tsaina alohan’ny hiverenana any am-piasana. Atao ao an-tsaina hoe efa nahazo fotoana tsara nakana aina ka ny asa indray no banjinina. Rehefa matanjaka ny saina dia manaraka ho azy ny fahazotoana sy ny fifantohana.

Mametraka lamina hamitana ny asa niangona izay miandry

Anisan’ny antony tsy mampazoto miverina miasa aorian’ny fialan-tsasatra tokoa ny fieritreretana ny asa maro miandry ao amin’ny toeram-piasana. Tsy tokony atao mahakivy nefa izany. Mba hampazoto sy hanatsarana ny fifantohana amin’ny asa dia tsara raha mametraka lamina amin’ny fanatanterahana ireo asa niangona. Atao tsikelikely amin’ny andro voalohany ka ireo izay tena maika no anombohana izany. Ampitomboana miandalana ny asa vitaina mandritra ny andro manaraka. Fadiana ny manenjika asa maro be vao miverina miasa satria ho mora reraka sy kivy ka mety hiteraka rarin-tsaina sy olana ara-pahasalamana izany.

Maka fotoana hangalana aina ao anatin’ny tontolo andro

Fomba iray ahafahana mampitombo ny fahazotoana sy ny fifantohana amin’ny asa ny fakana aina tsindraindray ao anatin’ny tontolo andro. Mbola miverina mizatra tokoa mantsy ny saina sy ny vatana ka rariny raha omena fotoana kely mba hakana aina. Rehefa tsapa fa somary mavesatra ny loha na ny maso dia mitsangana kely maka rivotra madio. Afaka miresadresaka amin’ny mpiara-miasa ihany koa mandritra izany fakana aina vetivety izany. Tandremana kosa nefa mba tsy ho lava loatra izany fiatoana kely izany ka tsy ho vita ny asa tokony atao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo