• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Elan Des Talents
Image
Asa & Fianarana

Toetsaina manatsara ny fifandraisana ao amin’ny toeram-piasana

14/09/2023 11:52 © Moov.Mg

Milamin-tsaina, mahazo fahafinaretana ary mahomby kokoa ny mpiasa rehefa mahafinaritra ny fifandraisana ao amin’ny toeram-piasana. Inona ary ny toetsaina tokony ananan’ny tsirairay hahatsara ny fifandraisana sy ny fiarahamonina ao am-piasana ?

Samy manatanteraka tsara ny asany ny tsirairay ao am-piasana

Mirindra tsara ny asa ary milamina ny fifandraisana ao amin’ny toeram-piasana rehefa samy manao ny asa ankinina aminy ny tsirairay. Mahazo fahafinaretana na ilay nahavita tsara ny asany na ny mpiara-miasa rehetra aminy. Misoroka ny mety ho disadisa rehetra ao am-piasana izany. Afa-po ny mampiasa ary mandroso araka ny tokony ho izy ny asa sy ny orinasa.

Mahay mifanaja

Fototra iray lehibe manatsara ny fifandraisana ao amin’ny toeram-piasana ny fifanajana eo amin’ny samy mpiara-miasa. Mila mahay mifanaja na eo amin’ny samy mpiasa tsotra na eo amin’ny mpiasa sy ny lehibe. Tsy tonga ho azy ny fanajana fa izay mendrika ihany no mahazo izany. Miantomboka amin’ny fanajana ny asa atao sy ny fanajana ny hafa moa no hahatongavana amin’izany. Fadiana tanteraka toetra manambany ny hafa sy manambony tena.

Misariaka amin’ny hafa

Anisan’ireo fomba tsotra nefa mahomby ary ilaina amin’ny fanatsarana ny fifandraisana ao am-piasana ny fahaizana misariaka amin’ny hafa. Mahafinaritra hatrany ny tontolo andro hiarahana ao amin’ny toeram-piasana rehefa tsikitsiky sy fahatsorana no hifampizaran’ny mpiara-miasa. Marina fa samy manana ny olana ara-piainana ny olona tsirairay. Tsy tokony entina any amin’ny toeram-piasana kosa nefa ny fahatezerana avy any an-trano na teny an-dalana.

Mifampiresaka sy mifampihaino

Ilaina ny fahaizana mifampiresaka sy mifampihaino ao amin’ny toeram-piasana. Tsy afaka mandeha ny asa raha tsy misy ny fifampiresahana. Raha misy ny olana dia tsy hahita vahaolana mihintsy raha hiandry ny hafa haminany ny fototr’izany. Rehefa misy miteny ihany koa dia mila mahay mihaino ny ankilany. Ny fifehezana ny fifampiresahana no antoka iray lehibe manatsara ny fifandraisana eo anivon’ny toeram-piasana. Hahamora izany moa dia afaka manokana fotoana ivelan’ny ora fiasana ny mpiara-miasa mba hifankafantarana sy hanamafisana ny fifandraisana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo