• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Planete Sante
Image
Asa & Fianarana

Zaza tsy mety handeha hianatra : ahoana no atao ?

19/09/2023 15:03 © Moov.Mg

Efa tafiditra anatin’ny taom-pianarana tanteraka isika izao. Efa manomboka zatra miverina an-tsekoly ankizy ary mihena ihany koa ilay hakamoana kely tamin’ny voaloha. Ahoana kosa no atao raha toa ka mitomany sy mitaraina tsy handeha hianatra ny zaza ?

Fantarina ny antony mahatonga ny zaza tsy mety mandeha mianatra

Mety mandalo izany tsy fahazotoana handeha hianatra izany avokoa ny zaza rehetra. Ny fihantana amin’ny ray aman-dreny moa matetika no mahatonga izany; ary mandalo fotsiny ihany izany. Misy kosa nefa etsy andaniny ny zaza tsy mety handeha hianatra intsony mihitsy. Mitomany, midongy ary tsy manaiky ny hiverina an-tsekoly mihitsy eny na tambatambazana na bedesina aza. Matetika dia misy antony manokana no mahatonga azy ireny hanao izany ka mila fantarintsika ray aman-dreny.
Antony iray mahatonga ny zaza tsy mety miverina any an-tsekoly ny fibedesana mafy loatra na kapoka nataon’ny mpampianatra azy. Lasa matahotra ilay zaza ka tsy mety handeha hianatra intsony. Antony hafa mety mitranga ihany koa ny herisetra na fandrahonana ataon’ny ankizy hafa aminy ka mahatonga azy tsy masahy miverina any am-pianarana. Mety tsy mazoto handeha hianatra intsony ihany koa ny zaza raha tsy ampy fitaovana na fitafy ka ihomehezan’ny namany. Ny fifampiresahana milamina sy am-pitiavana amin’ny zaza ihany matetika no ahafahana mamantatra ny antony mahatonga azy tsy mety handeha hianatra.

Ahoana no fomba atao hamporisihana ny zaza handeha hianatra indray

Rehefa fantatry ny ray aman-dreny ny antony mahatonga ilay zaza tsy mety handeha hianatra dia anjarany no mitady ny vahaolana mifanaraka amin’izany. Raha avy amin’ny mpanabe no olana dia manantona ity farany ny ray aman-dreny mba hifampiresaka aminy. Atao am-pahendrena sy am-pitoniana ny fifampiresahana. Azo atao tsara ny manantona ny talen’ny sekoly raha ilaina izany. Toy izany ihany koa raha fihetsika nataon’ny ankizy hafa no mahatonga ilay zaza tsy mety hiverina any an-tsekoly. Ny mpampianatra sy ny talen’ny sekoly no hifampiresahana mba hijery akaiky sy hamaha ny olana.
Ankoatra izay dia mila resahana sy tambatambazana milamina ilay zaza rehefa ao an-trano. Ampahafantarina azy hoe efa niresaka tamin’ny mpampianatra sy ny talen’ny sekoly i Dada sy Neny ka tsy misy tokony atahorany intsony. Amporisihana ihany koa izy mba hiteny amin’ny mpampianatra raha misy ankizy mampijaly na mandrahona azy. Lazaina amin’i Dada sy Neny ihany koa raha misy zavatra mampalahelo na mampatahotra azy any an-tsekoly. Tsy adinoina ihany koa ny manome ny zaza ny fitaovana sy ny fitafy ilainy amin’ny fianarany mba hahatonga azy hahatoky tena sy tsy ho menatra ny namany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo