• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Adbb Autour De Bébé
Image
Asa & Fianarana

Fanabeazana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « méthode Montessori »

20/09/2023 11:24 © Moov.Mg

Efa faheno matetika eto amintsika ny hoe sekoly mampiasa ny « méthode Montessori ». Mbola vitsy tokoa nefa no mahafantatra ity fomba fampianarana ity. ‘Ndeha ary hiresaka mikasika ny atao hoe « méthode Montessori » sy ny tanjon’izany fomba fampianarana izany.

Inona no atao hoe « méthode Montessori »

Ny « méthode Montessori » dia fomba fanabeazana novolavolain’i Maria Montessori, mpampianatra italiana, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Izany dia mifototra amin’ny hevitra fa ny ankizy dia manana toetra voajanahary liana sy te hianatra. Ny tanjon’ny méthode Montessori dia ny hanomezana ny ankizy tontolo sy fitaovana mifanaraka amin’ny filany mba hahafahany mampivelatra ny fahatokisan-tenany sy ny fahaleovan-tenany.

Ny fitsipika fototra ny méthode Montessori

Mifototra amin’ny fitsipika fototra maromaro ny méthode Montessori. Anisan’izany ny :
-Fahalalahana sy ny fahaleovan-tena. Izany hoe omena fahalalahana ny ankizy hisafidy ny zavatra mahaliana azy sy hianatra na hifehy izany amin’ny « rythme » mety aminy ;
-Fanomanana amin’ny tontolo manodidina. Izany dia natao hampisokatra ny ankizy amin’ny tontolo manodidina azy sy handrisihana ny fahaizany mahaleo-tena ;
-Fanentanana ny « sens ». Ampiasaina izany mba hampivelatra ny sain’ny zaza, hahaizany mampiasa ireo « sens » ananany sy mba hanampy azy hahafantatra ny zava-misy manodidina azy ;
-Ny anjara asan’ny olon-dehibe. Ny olon-dehibe dia mpitari-dalana izay manara-maso sy manohana ny zaza amin’ny fianarany sy ny fivelaran’ny sainy.

Ireo tombontsoa azo avy amin’ny fampiharana ny méthode Montessori

Maro ny firenena sy ny fianarana mampihatra ny méthode Montessori amin’ny fanabeazana ny ankizy noho ireo tombontsoa maro entin’izany. Anisan’ireo tombontsoa lehibe azo avy amin’ity fomba fanabeazana ity ny :
-Fampianarana ny ankizy ho mora hahaleo tena sy hanana fahatokisan-tena ;
-Fanatsarana ny fifantohana sy ny fahalinana amin’ny zavatra atao ;
-Fampivoarana ny fahaizana mifandray amin’ny hafa sy ny fifehezana ny fihetseham-po ;
-Fanajana ny « rythme » ananan’ny zaza ;
Raha fintinina dia fomba fanabeazana manome tontolo mamparanin-tsaina sy mifanaraka amin’ny filan’ny zaza ny méthode Montessori. Izany dia mba hanampiana azy ireo ho mora mahaleo-tena, matoky tena sy mitombo fahaizana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo