• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Droit Travail France
Image
Asa & Fianarana

Tsy te handeha hiasa intsony : inona no atao ?

26/09/2023 10:41 © Moov.Mg

Efa samy nandalo izany hoe kamokamo handeha hiasa izany daholo ny rehetra. Tsy mitovy kosa anefa ny hakamoana mandalo iray na roa andro sy ilay hoe tsy te handeha hiasa intsony mihintsy. Inona ary no tokony atao raha te hiala amin’ny asa mihintsy ?

Fantarina ireo antony mahatonga ilay fahalainana handeha hiasa

Raha tsy manana fahazotoana handeha hiasa intsony mihitsy dia mila fantarina aloha ny antony mahatonga izany. Tsy mety ny tonga dia miala amin’ny asa satria mety mbola hiverina izay fahalainana izany na hiova toeram-piasana aza. Maro ireo antony mety mahatonga ny olona iray tsy te handeha hiasa intsony, anisan’izany ny :

Disadisa sy tsy fifankahazoana amin’ny mpiara-miasa

Rehefa misy disadisa amin’ny mpiara-miasa dia lasa kamo handeha hiasa satria hifankahita indray ao am-piasana. Rehefa mitohy izany tsy fifankahazoana izany dia lasa misy fiantraikany amin’ny asa sy ny fahazotoana manao ny asa ka miafara amin’ny fisian’ny rarin-tsaina sy tsy fahatokisan-tena.

« Burnout » na fahatrotrahana noho ny asa

Ny atao hoe burnout dia ny fahatrotrahana ara-batana, ara-tsaina sy ara-pihetseham-po eo amin’ny olona iray vokatry ny asany. Maro ny olona tratra izany no tsy te handeha hiasa intsony satria lasa toa fijaliana ho azy ny mamonjy ny toeram-piasana. Ny mpiasa tototry ny asa sy tsy mahatsapa fankasitrahana amin’ny ezaka ataony matetika ny tratry ny burnout.

Fiverimberenan'ny asa atao

Rehefa mitovy foana ny zavatra atao mandritra ny taona maro dia mety ho lasa leo ka tsy te hiasa intsony. Indrindra raha toa ka tsy nahazo fisondrotana mihintsy tao am-piasana na koa hoe tsy niakatra mihintsy ny karama.

Ny vahaolana azo atao raha tsy te handeha hiasa intsony

Azo atao tsara ny miatrika ny tsy fahazotoana handeha hiasa intsony, indrindra raha mbola tsy afaka miala amin’ny asa noho ny antony maro samihafa. Anisan’ireo vahaolana afaka manampy amin’izany ny :

Fifampiresahana amin’ny lehibe

Resahana amin’ny lehibe (supérieur hiérarchique) ireo anton-javatra mahatonga fahalainana na fahakiviana handeha hiasa. Izany dia mba hahafahana miara-mikaroka sy midinika ny vahaolana mifanaraka amin’izany. Azo resahana ihany koa ohatra ny mangataka fiovana asa ao anatin’ny orinasa raha toa ka misy fahafahana manao izany.

Fanovana ny fomba fisainana

Rehefa mbola tsy afaka miala amin’ny asa dia mila manova ny fomba fisainana mba hialana amin’ny fahalainana handeha hiasa. Miezaka hatrany manana toe-tsaina miabo ary mandray ireo lafy tsaran’ny asa atao. Lasa mahafinaritra kokoa ny tontolo andro ary mihena ny rarin-tsaina vokatry ny asa.

Fandaminana ny asa

Mila alamina tsara ny fanaovana ny asa ao anatin’ny tontolo andro. Atomboka amin’ny asa tsotsotra aloha ny maraina, avy eo tohizana amin’izay sarotra kokoa. Ny olona mahay mandamina ny fandaharam-potoanany dia tsy ho mora tototry ny asa ka mazoto kokoa manao izany.

Fakana fotoana hialana sasatra

Rehefa tsapa fa manomboka vizaky ny asa ny saina sy ny vatana dia mila maka fotoana hialana sasatra. Tsy mieritreritra asa mihintsy mandritra izany fotoana izany fa maka rivotra, maka aina, manao izay mampiala voly ny saina no atao. Ilaina tokoa ny manao izany mba hisorohana ny fahatrotrahana nohon’ny asa.

Fiovana asa

Rehefa natao avokoa ireo ezaka rehetra voatanisa teo aloha ireo nefa mbola tsy mazoto hanoy ny asa atao ihany dia ny miova asa no mety. Averina jerena tsara ireo antony nahatonga ilay tsy te hiasa intsony mba tsy hiverina izany amin’ny asa vaovao ho atao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo