• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Thaney & Associates, Cpa
Image
Asa & Fianarana

Ireo torohevitra manampy raha te hahomby amin’ny fandraharahana

24/10/2023 15:02 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo mihevitra fa ny vintana no mahatafita ny olona amin’ny sehatry ny fandrarahana. Raha ny marina nefa dia ny asa sy ny fikirizana no nitondra ny ankamaroan’ireo mpandraharaha amin’ny fahombiazana. Ireto ary misy torohevitra tsara ampiharina raha te hahomby amin’ny fandrarahana.

Zavatra tiana sy mahaliana no hidirana amin’ny sehatry ny fandraharahana

Mitaky fotoana sy faharetana ny fananganana orinasa. Ilaina noho izany ny misafidy zavatra tiana sy mahaliana rehefa mamorina tetikasa iray. Raha ankafizina tokoa mantsy ny zavatra atao dia ho mora foana ny miharitra ny fotoana lany sy ny havizanana takian’izany alohan’ny ahatongavana amin’ny fahombiazana. Sarotra tokoa nefa ny lalana hizorana rehefa misehatra amin’ny fandraharahana. Maro ireo olana sedraina, saingy rehefa tiana ilay asa sy tetikasa atao dia mikiry hatrany hahatongavana amin’ny tanjona iriana.

Mamorona vokatra na tolotra miavaka

Amin’izao vanim-potoana maoderina misy antsika izao dia sarotra tokoa ny mitazona vokatra na tolotra vaovao izay mora lefy laza. Mila mieritreritra sy mandinika tsara noho izany alohan’ny hamoronana sy hivarotana vokatra na tolotra iray. Raha zavatra efa misy eny amin’ny tsenam-barotra no eritreretina vokarina dia mila faritana mazava dieny eny am-boalohany ireo teboka mampiavaka izany. Mikaroka sy mandinika hatrany ny filàn’ny mpanjifa mba ahafahana mamorona vokatra vaovao, mahaliana ary misy manjifa mandritra ny fotoana maharitra.

Mandinika sy mandalina ny tsenam-barotra hidirana

Alohan’ny hidirana amin’ny sehatra ara-barotra iray dia mila dinihana tsara hoe tena mampidi-bola tokoa ve izany. Mba ahafantarana izany dia manao ilay atao hoe « étude de marché » na fandalinana ny tsenam-barotra. Mila fantarina ny vokatra efa misy eny amin’ny tsena, ny orinasa efa misehatra amin’izany, ny toetry ny mpanjifa sy ny filan’izy ireo… Mila midina ifotony rehefa manatanteraka izany fandalinana ny tsenam-barotra izany fa tsy mijanona ao anaty birao fotsiny ihany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo