• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Portail Auto-Entrepreneur
Image
Asa & Fianarana

Mpivady miara-miasa ao amin’ny orinasa iray : hevitra tsara sa tsia ?

25/10/2023 15:43 © Moov.Mg

Tranga efa fahita matetika ny mpivady miara-miasa ao amin’ny orinasa iray. Tsy atahorana hisy fiantraikany amin’ny tokantrano ve izany ? Tsy misy ve ny olana na disadisa mitranga amin’ny lafiny ara-kasa ? ‘Ndeha ary ho resahina ny mikasika ny mpivady miara-miasa ao amin’ny toeram-piasaina iray.

Ireo lafy tsaran’ny mpivady miara-miasa ao amin’ny orinasa iray

Tsy vitsy tokoa ankehitriny ny mpivady misafidy ny miara-miasa amin’ny orinasa iray. Maro ny lafy tsaran’izany ho an’izy ireo, toy ny :
Fananana fotoana betsaka kokoa hiarahana amin’ny olon-tiana mandritra ny tontolo andro : rehefa handeha hiasa, misakafo atoandro, mandeha mody… Maro amin’ny mpivady tsy miara-miasa no zara raha misy fotoana hiarahana amin’ny andavan’andro satria samy vizaky ny tontolo andro. Mitombo ihany koa ny fotoana ahafahana mifampiresaka sy midinika momba ny lafin-javatra maro eo amin’ny fiainan-tokantrano, fitaizana, asa…
Fanatsarana ny fifampitokisana eo amin’ny mpivady. Rehefa miara-miasa tokoa mantsy ny mpivady dia mifankahita hatrany. Samy fantatra avokoa ny mpiara-miasa amin’ny andaniny sy ny ankilany. Misinda avokoa ireo toe-javatra matetika mampisy fahasarotam-piaro eo amin’ny mpivady izay tsy miara-miasa.

Ireo lafy ratsin’ny mpivady miara-miasa

Misy ihany koa ireo lafy ratsin’ny fiarahan’ny mpivady miasa ao amin’ny orinasa iray. Anisan’izany ny hoe :
Lasa mifankaleo rehefa mifankahita foana mandritra ny tontolo andro ;
Miaraka very asa raha toa ka mikatona tampoka ilay orinasa hiasana ;
Mitondra ny disadisa any an-trano ao amin’ny toeram-piasana, indrindra raha miara-miasa akaiky ny mpivady.

Ahoana no fomba atao ampilamina ny fiarahan’ny mpivady miasa ?

Azo ataon’ny mpivady tsara ny miara-miasa, tsy misy olana, ao amin’ny orinasa iray. Mba ahatongavana amin’izany dia misy ireo fitsipika mila arahina amin’izany :
Mila mahay manavaka ny asa sy ny fiainan-tokantrano, indrindra amin’ny sehatry ny asa ;
Lanjalanjaina ny fotoana hiarahana mandritra ny tontolo andro mba hisorohana ilay mifankaleo. Tsy voatery miaraka foana rehefa hisakafo ohatra ;
Raha azo atao dia ferana anya m-piasana ireo resaka mikasika ny asa. Raha mila miresaka momba ny asa any an-trano dia atao vetivety ihany izany fa tsy ivalamparana ela.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo