• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Asa & Fianarana

Fanabeazana : torohevitra hizarana ny ankizy ho tia mamaky boky

26/10/2023 10:39 © Moov.Mg

Manampy betsaka amin’ny fikolokoloana sy ny fampivelarana ny sain’ny ankizy ny famakiana boky. Tsikaritra nefa ankehitriny fa variana amin’ny finday ny ankamaroan’izy ireo ka tsy liana amin’ny famakiana boky. Ahoana ary ny fomba atao handrisihana ny ankizy ho tia mamaky boky ?

Dieny mbola kely ny ankizy dia zarina mamaky boky

Tsy voatery endrasana hahay mamaky teny ny ankizy vao zarina hamaky boky. Dieny mbola kely izy dia atao milona ao anatin’ny tontolon’ny boky, ny tantara sy ny famakian-teny. Izany hoe na mbola tsy mahay miteny tsara aza ny zaza dia efa afaka miara-mamaky boky aminy ny ray aman-dreniny. Boky misy tantara sy sary sahaza ny taonany no vakiana mafy aminy. Manamora ny fianaran’ny zaza miteny sy mahazo ny hevitry ny sary ny fanaovana izany. Tsara ihany koa raha ovaovaina araky ny toetrin’ny olona ao anaty tantara ny feo mba hatonga ilay zaza ho liana amin’izany.

Miaraka mamaky boky amin’ny ankizy na efa mahay mamaky irery aza izy

Na efa mahay mamaky boky irery aza ny ankizy dia mbola ilainy indraindray ny miaraka manao izany amin’i Dada na i Neny. Mampitombo ny fahazotoany sy ny fitiavany mamaky boky tokoa ny fanohizana izany fahazarana efa nitaizana azy hatry ny kely izany. Tsy voatery atao isan’andro intsony moa izany satria izy efa afaka mamaky boky irery. Rehefa mba mangataka ny hiarahana manao izany aminy kosa nefa izy dia mila miezaka manaiky ny ray aman-dreny na dia efa vizaky ny asa aman-draharaha aza.

Hividianana boky ny ankizy ary ampidirina mpikambana amin'ny tranomboky

Mazava ho azy fa mila mamaky boky karazany maro ny ankizy mba hatonga azy ho zatra sy ho tia mamaky boky. Raha mbola kely izy dia hividianana boky vitsivitsy sahaza ny taonany. Rehefa mihalehibe, mahay mamaky teny sy afaka mamaky boky irery ny ankizy dia ampitomboina arak’izany ny karazana boky azony vakiana ao an-trano. Azo atao ihany koa ny mampiditra azy ho mpikambana amin’ireny tranomboky ireny mba ahafahany mindrana ny boky mahaliana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo