• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Educatout
Image
Asa & Fianarana

Mampianatra ny zanaka hahay ny taranja kajy na « calcul »

31/10/2023 14:46 © Moov.Mg

Anisan’ny taranja fototra ilaina amin’ny fianarana sy amin’ny fiainana andavanandro ny kajy na « calcul ». Ireto ary misy torohevitra tsotra afaka ampiarin’ny ray aman-dreny mba hanampiana ny zanany hahay ny taranja « calcul ».

Torohevitra hampianarana ny taranja kajy na « calcul » amin’ny zanaka

Matetika dia mila fanampiana avy amin’ny ray aman-dreny ny fampianarana ny ankizy fa tsy ampy ny any an-tsekoky, indrindra raha misy taranja sarotra hain’izy ireo. Mba hanampiana ny zanaka tsy mahay kajy ary dia ireto no torohevitra tsara ampiarin’ny ray aman-dreny :
Atomboka amin’ny fahalalana fototra ny fampianarana. Alohan’ny hidirana amin’ny fikajiana (opérations), dia mila ampianarina sy atoro an’ilay ankizy aloha ny mikasika ny isa sy fandrefesana. Mila voafehiny ireo vao afaka miroso amin’ny fanaovana kajy izy.
Mampiasa kilalao isan-karazany rehefa mampianatra kajy ny ankizy. Mora mahay sy mora mandray ny zavatra ampianarina azy kokoa izy ireo rehefa atao amin’ny fomba mahafinaritra ny fampianarana azy. Atao miendrika lalao sy fialamboly ny fampianarana ny kajy mba hahatonga izany mahaliana ny ankizy.
Manana faharetana ary tsy mitsahatra ny mandrisika rehefa mampianatra kajy ny zanaka. Misy fotoana mety ho sarotra ho an’ny ankizy ny fianarana izany taranja izany. Mila miezaka mitony sy maharitra hatrany rehefa mampianatra azy. Fadiana ny mitabataba sy manabatibaty ny ankizy raha tsy mety mahay izy. Vao maika izany mitarika azy tsy ho tia sy tsy hahay ilay taranja. Afaka maka mampianatra matihanina hanampy azy raha ilaina izany.

Karazana lalao sy fialamboly hampianarana kajy ny ankizy

Araky ny voalaza teo aloha dia manampy betsaka amin’ny fampianarana ny kajy amin’ny zanaka ny fampiasana ny lalao sy ny fialamboly entina hanazavana sy hampitana izany. Anisan’ireo lalao sy fialamboly azo ampiasaina ny :
Fanaovana karatra na « jeux de cartes ». Maro moa ireo karazana kilalao azo atao amin’ny karatra izay manampy ny ankizy hahay hikajy. Anjaran’ny ray aman-dreny no misafy ireny kilalao ireny ary mampianatra izany ny zanany.
Azo atao ihany koa ny miaraka manangana zavatra iray amin’ny zanaka. Ohatra hoe mandrafitra zavatra amin’ny baoritra na amin’ny hazo. Manampy betsaka amin’ny fianarana sy ny fifehezana ny refy.
Tsy adinoina ny fanaovana lakozia na ny fandrahoana sakafo. Miaraka mahandro sakafo na manao mofomamy ary mampiasa « recette ». Mampianatra ny ankizy hahay ny fatra sy ny resaka fandanjana izany.
Manampy betsaka hianaran’ny ankizy ny fikajiana ihany koa ny fandehanana miantsena miaraka amin’ny ray aman-dreny. Atoro azy ny fanisana ny vola, ny fikajiana ny vola lany sy ny vola ambiny. Ilainy tokoa izany amin’ny fianarana ny taranja kajy sy ny taranja « problème ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo