• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Talenty
Image
Asa & Fianarana

Mampiana-tena: ireo torohevitra mba ahombiazana amin’izany

14/11/2023 09:54 © Moov.Mg

Mety safidy na koa nohon’ny tsy fahampiana enti-manana na fotoana no mahatonga ny olona iray hampiana-tena. Maro ireo tafita tamin’ny fanaovana izany ka lasa tsara toerana amin’ny asa. Fa ahoana tokoa no atao raha te hahomby amin’ny fampianaran-tena ?

Inona no atao hoe mampiana-tena ?

Arak’izany anarany izany dia fomba fianarana iray tsy misy mpampianatra na mpampiofana no atao hoe fampianaran-tena. Azo ampiharina amin’ny fianarana taranja iray, tenim-pirenena, fahaiza-manao na fampivelarana ny fahalalana moa izany fomba fianarana izany.
Mazava ho azy izany fa tsy mandia toeram-pianarana ary tsy misy mampianatra ny olona manao fampianaran-tena. Miezaka mikaroka irery ary manao izay ahaizany irery ny zavatra nosafidiany hianarana. Amin’ny ankapobeny moa dia ao an-trano ihany ny olona no mampianan-tena. Misy ihany koa nefa ireo mandrato fahalalana eo am-panatanterahana ny asa mihintsy. Mitaky fifehezan-tena, fikirizana sy fomba fianarana manokana ny fahombiazana amin’izany.

Ahoana ary ny atao raha te ahomby amin’ny fampianaran-tena ?

Misy ireo torohevitra tsara arahina raha toa ka te ahomby amin’ny fampianaran-tena. Anisan’izany ny :
Fametrahana tanjona mazava sy azo tratrarina. Alohan’ny hanombohana dia maka fotoana hieritreretana ny zavatra tiana hianarana sy ny antony. Manosika mba hifikitra hatramin’ny farany amin’ny fampianaran-tena atao ny fananana tanjona mazava dieny voalohany.
Fanomanana drafitra fianarana. Rehefa fantatra ny zavatra tiana hianarana dia mila manomana drafitra fianarana. Ilaina tokoa izany mba hizotra tsara ny fampianaran-tena. Raha tsy misy tokoa ny lamina arahina dia lasa mora mivoana ny zavatra hianarana.
Fitadiavana ny fitaovana sy ny fomba mahomby anaovana ny fampianaran-tena. Maro karazany hisafidianana izy ireny ankehitriny, toy ny boky, ny « cours en ligne », ny tranokala, « tutoriels »… Tsara raha maka fotoana mitady sy misafidy ny fitaovana mifanaraka amin’ny fomba fianaran’ny tena sy izay manavanana kokoa.
Fitantohana sy ny fahaizana mifehy tena. Tsy mora ny mampiana-tena ka mila manana fifehezantena tsara raha te ahomby amin’izany. Ilaina ny mametraka fandaharam-potoana mikasika ny fomba fianarana mandritra ny herinandro sy ny tontolo andro ary manaja tsara izany.
Fikirizana mba ho tody hatramin’ny farany ny fampianaran-tena atao. Amin’ny maha sarotra ity farany dia maro ireo miraviravy tanana vao sendra ny fahasarotana na olana kely mandritra ny fotoana hianarana. Mila mikiry hatrany ary mitady vahaolana amin’ny olana lalovana mba ahombiazana amin’ny fampianaran-tena izay atao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo