• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Actionco.Fr
Image
Asa & Fianarana

Tontolon’ny asa : torohevitra hampitomboina ny fahaiza-manao ara-kasa

21/11/2023 13:46 © Moov.Mg

Tsy mitsahatra miova sy mivoatra ireo sehatra rehetra amin’ny tontolon’ny asa. Ilaina noho izany ny mampitombo sy mampivelatra hatrany ny fahaiza-manao mba ahafahana misondrotra fa sanatria tsy hijanona mandrakizay eo amin’ny toerana misy. Araho ary ireo torohevitra tsara arahana mba hampitomboina ny fahaiza-manao ara-kasa.

Fantarina ireo zavatra mbola tsy voafehy mikasika ny asa sahanina

Mba hampitomboina ny fahaiza-manao ara-kasa dia mila fantarina aloha ireo zavatra mbola tsy voafehy amin’ny asa sahanina. Raha mionona amin’ny kely hay tokoa mantsy dia tsy afaka ny hivoatra mihintsy rehefa any aoriana. Mba ahafahana mivoatra sy misondrotra amin’ny asa nefa dia mila feno sy mavesa-danja tsara ny fahaiza-manao amin’ny asa atao. Azo atao ny mangataka fampiofanana mifanaraka amin’izany ao amin’ny toeram-piasana. Raha tsy afaka manome izany ny ao am-piasana dia miezaka mitady fampiofanana ivelany. Efa maro rahateo ankehitriny ireo fomba azo atao ampianaran-tena eto amin’ny aterneto.

Mifanerasera amin’ny mpiara-miasa misahana asa hafa

Anisan’ny fomba iray manampy betsaka amin’ny fampitomboina ny fahaiza-manao amin’ny lafiny ara-kasa tokoa ny fifaneraserana amin’ny mpiara-misa misahana asa ao am-piasana. Fiaraha-miasan’olona maro manana fahaiza-manao samihafa ny mampiodina ny orinasa iray. Mba hitombo fahalalana sy traikefa dia mila liana amin’ny asan’ny hafa. Atomboka amin’ny asa mifampiankina amin’ny andraikitra sahanin’ny tena izany. Mila tia karokaroka ny saina ary indrindra tsy menatra manontany izay zavatra tsy voafehy. Tandremana kosa nefa mba tsy atao manelingelina ny asan’ny hafa izany.

Mandray anjara amin’ny iraka (missions) tsy mahazatra

Ny tanjon’izany dia ny mba ahafahana mamantatra ireo lafin-javatra vaovao amin’ny asa sahanina sy mikasika ireo zavatra ataon’ny orinasa iasana amin’ny ankapobeny. Eo ihany koa no ahitana ireo lesoka mbola misy amin’ny fahaiza-manao ka ahafahana manatsara sy mampitombo izany. Mampivelatra ny saina ary mandrisika ny tena mba ho sahy hianatra zava-baovao hatrany ny fiatrehana izany. Etsy andaniny moa dia mila maharitra sy miezaka mandrakariva na dia sarotra aza ny mianatra zavatra vaovao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo