• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Eddmon
Image
Asa & Fianarana

Ankizy tsy maharaka any am-pianarana : ahoana no atao ?

13/12/2023 13:07 © Moov.Mg

Anisan’ny toe-javatra mampiferotr’aina ny ray aman-dreny ny zanany tsy maharaka any am-pianarana. Izany hoe ratsy hatrany ny vokatra rehefa fitsapam-pahaizana sy fanadinana. Fa inona ny antony mety mahatonga ny ankizy tsy maharaka any am-pianarana ? Inona ny vahaolana azon’ny ray aman-dreny atao hanampiana azy ireny ?

Ireo antony mety mahatonga ny ankizy tsy aharaka any am-pianarana

Maro tokoa ny ankizy tsy maharaka any am-pianarana. Anisan’izany ny :
-Ny « trouble d’apprentissage » izay karazana aretina eo amin’ny ankizy toy ny « dyslexie » na ny fahasarotana amin’ny famakiana teny, ny « dyspraxie » na ny fahasarotana amin’ny fanaovana fihetsika, ny « dyscalculie » na ny fahasarotana amin’ny fanaovana kajy (calcul)… ;
-Tsy faharisiana na hakamoana amin’ny fandehanana mianatra sy ny fianarana amin’ny ankapobeny ;
-Tsy fahampian’ny fanohanana amin’ny lafiny ara-pianarana ao an-tokantrano ;
-Olana ara-pianakaviana…

Ireo torohevitra hanampiana ny ankizy tsy maharaka any am-pianarana

Tsy tokony jerena fotsiny ny ankizy tsy maharaka any am-pianarana. Manana andraikitra feno amin’ny fitadiavana ny vahaolana hanampiana azy ireny ny ray aman-dreny ka anisan’ny tokony atao dia :
-Manantona ny mpampianatra sy ny talen’ny sekoly mba hiaraha mamantatra ny olana mahatonga ilay zaza tsy maharaka any am-pianarana. Miara-midinika ny vahaolana sy ny fanampiana atao ho azy rehefa hita ilay olana ;
-Miezaka mamantatra ny mikasika ireo « troubles d’apprentissage ». Raha tsikaritra fa manana izany karazana aretina izany ny zanaka dia omena azy ny fanampiana sy ny fikarakarana mifanaraka amin’izany ;
-Manohana, mandrisika ary manoro hatrany ny zanaka mba hampiezaka azy. Omena fitiavana sy teny mamy izy mba hampitombo ny fahatokisan-tena ao aminy ;
-Omena toerana manokana hianarany ny ankizy rehefa ao an-trano. Atao milamina, lavitry ny tabataba sy ampy hazavana mba ahafahany mifantoka rehefa mianatra ;
-Avela maka aina sy miala sasatra ny ankizy rehefa mianatra ao an-trano. Izany dia mahatsara ny fitadidiany sy ny fifantohany ;
-Atao miendrika lalao na fialamboly ny fampianarana azy rehefa ao an-trano. Hazoto kokoa izy hianatra ary ho mora tadidiny ireo ampianarina azy ;
-Maka mpampianatra manokana na ireny atao hoe « répétitrice » ireny raha tsy manana fotoana hampianarana ny zaza ao an-trano ny ray aman-dreny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo