• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Asa & Fianarana

Tontolon’ny asa : Ireo antony ilaina ny fakana « congés payés »

17/12/2023 18:51 © Moov.Mg

Isan’ny zo fototra ananan’ny mpiasa rehetra, na miankina amin’ny fanjakana na tsia, ny « congés payés ». Misy ireo orinasa no mividy ireny « congés » ireny amin’ny mpiasa ao aminy, izany hoe tsy alaina ireo andro tsy hiasana handraisan-karama fa asolo vola. Maro tokoa nefa ireo vokatsoa azo amin’ny fakana ny « congés payés », andeha ange ho resahana e !

Manampy amin’ny fampihenana ny rarintsaina

Anisan’ireo anton-javatra lehibe mahatonga rarintsaina eo amin’ny olona iray ny asa. Miasa mafy avokoa na ny saina na ny vatana mandritra ny tontolo andro sy ny herinandro manontolo. Misy aza moa ireo izay voatery mitondra asa mody any an-trano ka mitombo hatrany ny havizanana sy rarintsaina ateraky ny asa. Ny fakana ny « congés payés » dia fomba iray ahafana misitaka kely ny asa ary mba hakana aina. Raha azo atao dia mandeha miala sasatra mihintsy aza mba hampitomboana ny tahan’ny « sérotonine », izay « hormones » mahatonga fitoniana amin’ny vatana sy ny saina.

Manatsara sy mikolokolo ny fahasalamana

Ilain’ny vatana ny fakana « congés » mba hanampy amin’ny fanatsarana sy ny fikolokoloana ny fahasalamana. Raha maharitra loatra ny rarintsaina vokatry ny asa dia mety mitarika olana ara-pahasalamana toy ny aretin’ny fo, fikorontanan’ny torimaso, tebiteby, fahaketrahana (dépression »… Rehefa tsapa fa vizaka loatra ny saina sy ny vatana dia mila maka « congés » mba ahafana manovo hery vaovao. Tsy voatery mandeha lavitra na maka andro maro fa rehefa afaka maka aina kely ny vatana ary miala voly ny saina dia manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fahasalamana izany.

Mampitombo ny vokatra ara-kasa

Manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny vokatra ara-kasa eo amin’ny mpiasa iray ny fakana « congés ». Araka ny voka-pikarohana iray natao tany ivelany dia voalaza fa ireo mpiasa mazoto maka « congés » no mamokatra kokoa ao amin’ny toeram-piasana. Mandritra ny andro tsy hiasana dia maka aina kely ny saina tsy mieritreritra asa. Rehefa miverina miasa dia mitombo ny fahazotoana, matselatselaka kokoa ny saina ary mahavita mifantoka tsara amin’ny zavatra atao.

Manampy amin’ny fandanjalanjana ny asa sy ny ankohonana

Fomba iray manampy amin’ny fandanjalanjana ny asa sy ny ankohonana ny fakana « congés ». Matetika tokoa dia lany amin’ny asa sy any amin’ny toeram-piasana ny andavanandron’ny mpiasa tsirairay. Noho izany antony izany dia fotoana fohy ny hiarahana amin’ny ankohonana, indrindra ho an’ireo izay miasa faran’ny herinandro na ireo mirava taraiky matetika. Ny « congés » no isan’ny fotoana malalaka ahafahana miaraka amin’ny ankohonana sy amin’ny namana. Ilaina ny maka izany fotoana izany mba tsy hatsiarovana hoe voagejan’ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo