• Cours de change
  • 5124.93 AR
  • |
  • $4441.78 AR
Copyright Image : © Mpeb-Illustration
Image
Vaovao

Antsiranana II : Horita milanja 758 kilao no azo tamin’ny fisokafana faharoa ny fanjonoana 2025

11/08/2025 14:48 © Moov

Nidina ny vokatra azo, tamin'ity andiany faharoa nisokafan'ny fanjonoana horita ao Antsiranana II, ho an'ny taona 2025, ity, raha oharina tamin’ny andiany voalohany. Nosokafana mantsy ity andiany faharoa ity ny herinandro lasa teo, tao amin'ny faritra Corridor Marin de 7 Baies, Distrika Antsiranana II.

Olan’ny toetr’andro

Manana fanantenana hatrany ireto mpanjono ireto amin’ny vokatra tokony ho azony. Tamin’iny andro voalohany iny mantsy dia nahatratra 758 kilao, ihany, ny horita azon’ireo mpanjono miisa 45. Isan’ny antony voalaza fa nahatonga izany ny rivotra varatraza izay mifofofofo sy ny rano mangatsiaka loatra, izay nampihena kely ny fahafahana misambotra ireo horita ireo. Raha tsiahivina, ny volana marsa teo no nanokafana ny andiany voalohany. Nahazo horita milanja 102 kilao, isaky ny mpanjona izy ireo tamin’ny andro voalohany nanokafana ny fanjonoana.
Mitohy ny asa fanjonoana, mandra-panidiana azy indray. Tsy very fanantenana ireo mpanjono, hatreto satria eo amin'ny tsena dia manodidina ny 8.000 Ariary ny kilao, amin'ny ankapobeny. Io vidiny io izay heverin'ny mpanjono ho vokatra tsara nandritra io andro voalohany io. Isan’ny fidiram-bola tsara ho azy ireo rahateo ny horita.

Biby arovana

Rehefa misokatra toy izao ny fanjonoana horita dia manararaotra ny mpanjono satria mandritra ny fotoana elaela ny fanidiana azy. Natao izany ho fiarovana ireo hazandrano ireo, mba haharitra ho an'ny taranaka any aoriana. Raha tsiahivina, io faritra io dia eo ambany fitantanan'ny vahoaka eny ifotony izay hiarahana amin'ny Conservation Internationale. Mandray anjara mavitrika ho amin'ny fitrandrahana maharitra sy ho lovainajy ary hiarovana ny harena an-dranomasina sy hanatsarana ny fiveloman'ny mpanjono any an-toerana. Misy toerana hafa ihany koa ao Antsiranana II, ao harovana, ary hiarahan’ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga miasa amin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy.
Tsara moa ny manamarika fa ankoatra ny fanjifana eto an-toerana dia manondrana horita any ivelany ihany koa i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires