Fampandrosoana : Hiara-hiasa amin’ny fomba stratejika ny Faritra Itasy sy ny Oniversiten’Itasy
Nosoniavina, omaly alatsinainy 11 aogositra ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Faritra Itasy sy ny Oniversiten’Itasy. Tonga nanatrika ny lanonana ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, ny Governoran’ny Faritra, ny solontenam-panjakana sy kaominina, ary ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Tanjona iraisana
Nampiray tanjona sy vina ny faritra sy ny sehatra akademika. Hampifandray ny fahaiza-manao sy ny zava-misy eny ifotony ho tombontsoan’ny fampandrosoana maharitra, ny roa tonta. Ity fifanarahana ity dia miorina amin’ny finiavana iombonana hanamafy ny fampandrosoana mirindra sy feno ao anatin’ny faritra. Izany dia mba hampitombo ny fahafahan’ny tanora miasa ary hampifanaraka ny fiofanana akademika amin’ny filàn’ny sehatra eny ifotony. Hojerena manokana ny harena voajanahary, ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, ny angovo, ny harena an-kibon’ny tany, ny teknolojia ary ny fizahantany.
Ao anatin’izany dia hifameno ny Drafitra Fampandrosoana ny Faritra (PRD) sy ny Drafitra Paikadin’ny Oniversite (PSE). Kendrena ny hampifangaro ny loharanon-karena, ny fahaiza-manao ary ny fahalalana siantifika ho fanatrarana fampandrosoana maharitra sy azo tsapain-tanana.
Fampandrosoana eny ifotony
Mandritra ny telo taona no haharetan’ny fifanarahana, ary mazava tsara ny sehatra iasan’ny roa tonta : ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana, ny sehatra ara-toekarena, ny fizarana fahalalana amin’ny sehatra rehetra, ny fampiasana ny teknolojiam-pifandraisana hampandehanana ny fiarahana. Isan’ny ho apetraka ihany koa ny komity mpanara-maso sy mpandamina ny asa, ahitana ny solon-tenan’ny roa tonta. Hatao indroa isan-taona farafahakeliny ny fivoriana, ary hisy fifanarahana manokana ho an’ny tetikasa tsirairay miaraka amin’ny teti-bola sy ny lafiny ara-teknika. Hojerena tsy tapaka ny vokatra, ary azo ovaina ny fifanarahana raha ilaina.
Etsy andaniny, raha ny fanamarihan’ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Augustin Andrimananoro, dia mpianatra miisa 15 hatramin’ny 20 isan-taona avy ao amin’ny Oniversite no hisitraka vatsim-pianarana mankany Chine, mandritra ny dimy taona.