Ady amin’ny jono tsy ara-dalana : Nanolotra fitaovana teknolojika mandeha amin’ny masoandro ny ECOFISH
Nisitraka fitaovana enti-miady amin’ny jono tsy ara-dalana, tsy voafanambara ary tsy voafehindalàna (Pêche INN), avy amin’ny fandaharan’asa ECOFISH, eto anivon’ny Ranomasimbe Indianina, ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga. Ny Sekretera Jenaralin’ny COI, Edgard Razafindravahy no nanolotra izany, amin’izao fandalovany eto Madagasikara izao.
Angovo azo havaozina
Fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna satria mandringana ny harena an-dranomasina amin’ny fomba tsy mendrika izany. Araka izany, ilaina ny fanangonana ny antontan-kevitra marina ka tsy tokony ho tapaka ny famatsiana ny herinaratra, ka antony nanolorana ireto fitaovana ireto. Ao anatin’izany ny fitaovana hahafahana mahazo angovo azo havaozina avy amin’ny herin’ny masoandro. Manana tanjaka 12 000 Watt, izy io, ary hamatsy fitaovana toy ny « serveur » sy solosaina maro izay ilana herinaratra tsy tapaka hahafahana manangona tsara sy feno ireo antontan# kevitra sy antontan’isa amin’ny fotoana eo no eo. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ireo fitaovan-tserasera samihafa ho apetraka eny ambony sambo izay manao ny asa fisafoana an-dranomasina Telonify izay hafahana mifandray mivantana eo no eo.
Fifanomezan-tanana
Amin’ny maha-fanamby ity ady ity, na ho an’i Madagasikara na ho an’i Ranomasimbe Indianina no nanampian’ny ECOFISH an’i Madagasikara. Lafo ny fanarahamaso ny sisin-dranomasina aty amin'ny Ranomasina Indiana hoy ny Sekretera Jeneralin'ny COI, Edgard Razafindravahy. Handaniana maherin’ny 10.000 euros isan'andro ary 2 000 euros isan'ora raha mampiasa sidina an'habakabaka ; mahatratra hatramin’ny 30.000 euros isa-taona kosa amin'ny fampiasana zanabolana. Araka izany, entina hanamafisana ny asa efa hataon’i Madagasikara ny fitaovana.
Raha ho antsika manokana no resahina dia efa maro ny vokatra tsara azo tsapain-tanana manoloana izany ady amin’ny "Pêche INN" izany amin’ny alalan’ireo fitaovana izay hampiasan’ny eo anivon’ny Ivotoerana fanarahamason'ny Jono na ny Centre de Surveillance des Pêches (CSP). « Tsara ny asa hataon-tsika ary isan’ny fitaratra isika eto amin’ny ranomasimbe Indianina sy ny SADC, amin’ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna. Efa misy firenena mihindrana ny sambontsika haingam-pandeha amin’izao », hoy ny Minisitra, Mahatante Paubert Tsimanaoraty. Manolona izany anefa dia hamafisina hatrany ny ezaka.
Raha tsiahivina i Madagasikara amin’izao dia manana sambo miisa 25, amin’ity ady ity, miampy drone miisa 2 izay vao azo ny volana Jolay 2025 teo ary efa nahatratrarana sambo vahiny miisa 5, hatramin’ny 2024.