• Cours de change
  • 5124.93 AR
  • |
  • $4441.78 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Vaovao

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora : Marihina mandritra ny 4 andro, eto Antananarivo

12/08/2025 16:56 © Moov.Mg

Nomarihina androany 12 aogositra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora 2025. Ho an’ny teto Analamanga dia teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina no nanombohana izany fankalazana izany, izay haharitra 4 andro.

Tanora miasa ho an’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovain-jafy

Samy manana ny fomba nanamarihany ity andro ity avokoa ireo fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena miisa 24 manerana an’i Madagasikara. Natomboka tamin’ny diabe, nataon’ireo fikambanana tanora maro isan-tsokajiny kosa, ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, androany 12 aogositra 2025, teto Antananarivo. Nanatrika izany ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Moustapha Marson Abdulah sy ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana sy avy any ivelany, toy ny tetikasa Fihariana, ny Observatoire de la Jeunesse, ireo rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana, toy ny UNICEF, UNFPA, PNUD…

Nitohy tamin’ny famelabelaran-kevitra ny hetsika fanokafana notontosaina androany, izay nandraisan’ny minisitra tomponandraikitra anjara, sy ireo olona hafa manana ny maha-izy azy, toy ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina. « Tanora miasa eny ifotony ho an’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovain-jafy sy ny mihoatra izany » (Actions locales des jeunes pour les ODD et au-delà), no lohahevitra voizina mandritra izao fankalazana izao.

Fanomanana ny YouthConnekt

Haharitra efatra andro ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora eto Antananarivo, izay hahitana hetsika maro toy ny Tetikasa Tanora Mandrafitra ny ho avy, ho an’ireo tanora mpandraharaha ; ny hetsika "Zatovovavy Miavotra sy Mivoatra", ho fampahaleovan-tena ny tovovavy, famaranana ny « Hackathon », tsenaben’ny tanora, hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena isan-karazany...

Mifandraika amin’ny hetsika « YouthConnekt Pre-Event », izay karakarain’ny Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ity fankalazana ity, hetsika izay efa nitety ireo faritra maro teto Madagasikara, ho fanomanana ny YouthConnekt Africa Summit 2025, izay horaisin’i Madagasikara amin’io volana novambra ho avy io.

Lire la suite

Articles Similaires