• Cours de change
  • 5124.93 AR
  • |
  • $4441.78 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Vaovao

Fampinonoan-dreny tsy misy fangarony : Mampihena ny taham-pahafatesan’ny zaza hatramin’ny 15%

11/08/2025 16:16 © Moov.Mg

Marihina manomboka androany 11 aogositra 2025 eto Madagasikara ny herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny, raha toa ka ny 1 aogositra hatramin’ny 7 aogositra 2025 teo no nankalazaina ny herinandro maneran-tany ho an’izany fampinonoan-dreny izany. Fotoana hampahatsiahivana ireo tombontsoa azo avy amin’ny nonon-dreny ny fotoana tahaka izao.

Fiarovana matanjaka ho an’ny zazakely

« ‘Ndao hametraka rafitra maharitra mba ho laharam-pahamehana ny fampinonoan-dreny ». Io no lohahevitra voizina mandritra ity herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny ity. Zava-dehibe tokoa ny fanaovana ho laharam-pahamehana izany fampinonoan-dreny izany, satria sady mitondra tombontsoa ho an’ny zaza no mitondra vokatra tsara ho an’ny reny. Afaka mampihena ny taham-pahafatesan’ny zaza any amin’ny 12% hatramin’ny 15%, ny tsy fanomezana sakafo hafa ho an’ny zaza latsaky ny enim-bolana, ankoatra ny fampinonoan-dreny ihany, hoy ny nambaran’i Siméon Nanama, mpanolotsainam-paritry ny UNICEF ho an’i Afrika andrefana sy afovoany sady efa tomponandraikitry ny fanjariantsakafo teo anivon’ny UNICEF Madagasikara.

Nandritra ny famelabelaran-kevitra an’habaka, niarahany tamin’ireo mpanao gazety mpikambana ao anatin’ny REMAPSEN manerana an’i Afrika, no nanazavany ireo tombontsoa azo avy amin’ity fomba fanao tsara ity, ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny enim-bolana. Nazavainy fa miaro ny zaza amin’ny aretim-pivalanana, ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny tohina (allergie) ary ny endrika diabeta sasany, ny nonon-dreny. Isan’ny notsipihiny ny maha-sarobidy ny ranombatsy, izay ronono matevina, mivoaka mandritra ny ora voalohany nahalatsahan’ny zaza. Manan-karena hery fiarovana izy iny, araka ny nambarany, ary ahitana sela fotsy betsaka, ka manome fiarovana matanjaka ho an’ny zazakely.

Fanentanana amin’ny alalan’ny angano

Isan’ny nandray anjara tao anatin’ity famelabelaran-kevitra ity ihany koa ny Dr Soliou Badarou, dokotera manam-pahaizana manokana momba ny fahasalamam-bahoaka sy ny fampinonoan-dreny. Nanaovany adisisika ny amin’ny tokony hampifandraisana ny fomba nentin-drazana amin’ny fahaiza-manao maoderina, mba hahafahana manentana ny renim-pianakaviana, eo amin’izay lafiny fampinonoana izay. Nambarany fa isan’ny fitaovana iray mahomby ny angano, izay sady manitikitika ny saina no mandona ny fo, ka azo entina mivoy fanentanana ho amin’ny fampinonoan-dreny tsy misy fangarony, mialoha ny faha-enim-bolan’ny zaza. Nambarany ihany koa fa andraikitry ny rehetra ny fampiroboroboana ny fampinonoan-dreny, ka samy tokony handray anjara amin’izay tandrify azy, mahakasika izany avokoa, ny mpianakavy sy ny fiarahamonina. Ankoatra izay dia tokony hametraka rafitra sy tontolo hahafahan’ireo reny manatanteraka ny fampinonoana ny menaky ny ainy ireo mpitondra isan-tsokajiny, araka ny heviny.

« Ary raha tantaraina ahy ny momba ny fampinonoan-dreny ? » (Et si l'allaitement maternel m'était conté ?) no lohahevitr’ity famelabelaran-kevitra niarahana tamin’ny Tambajotran’ny Mpanao Gazety Afrikanina ho an’ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana sy ny Tontolo Iainana (REMAPSEN) ity.

Lire la suite

Articles Similaires