Fitsaboana maimaimpoana : Ho any amin’ny faritra Menabe ny « caravane médicale » andiany faha-33
Nosokafan’ny Vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, androany, teo Iavoloha ny « caravane médicale » andiany faha-33, sady faharoa tamin’ity taona 2025 ity. Ny faritra Vakinankaratra sy Menabe indray no hisitraka fitsaboana maimaimpoana araka izany.
Nampitomboina ny tolotra ara-pahasalamana
Efa andiany faha-33 amin’izao fotoana izao ity « caravane médicale » ity, raha ny taona 2020 no nanombohana azy. Maimaimpoana avokoa, raha tsiahivina ny fitsaboana rehetra ary hahazo tombony kokoa ao anatin’izany ireo olona any ambanivohitra, raha ny fanamarihan’i Mialy Rajoelina, tamin’ny fandraisam-pitenenany. « Matetika mila mandeha tongotra ora maro vao mahita toeram-pitsaboana ireo mponina lavitra. Amin’ny alalan’ity hetsika ity dia ny mpitsabo indray no manatona azy ireo, mba samy hisitrahan’ny Malagasy rehetra fitsaboana”, hoy ny tenany.
Amin’ity andiany faha-33 ity dia nampitomboina ny tolotra ara-pahasalamana omena ireo mpisitraka. Hisy ao anatin’izany ny fandidiana « cataracte » ary hanampy izany ihany koa ireo fizaham-pahasalamana manokana, toy ny fijerena ny fo, ny fandraisana an-tanana ny zaza (pédiatrie), ny « rhumatologie » ary ny « dermatologie ». Etsy ankilany dia ho eo hatrany ireo tolotra efa nisy tamin’ireo andiany teo aloha. Ao anatin’izany ny fitsaboana maso sy ORL, ny fitsaboana ny nify sy ny aty vava. Hanampy ireo, ny fitiliana ny aretina SIDA, diabeta, tosi-drà, raboka, tsifanjariantsakafo, ny homamiadan’ny nono sy ny tranon-jaza. Hisy ihany koa ny fandidiana « hernie » sy ny fijerena sokajin-drà ary ny fanomezan-drà.
Vakinankaratra sy Menabe
Haharitra folo andro eo ho eo ny hetsika ka handalo tanàn-dehibe maromaro. Ny talata 16 Septambra 2025, no handalo ao amin'ny Faritra Vakinakaratra ao Ankazomiriotra, ao amin’ny Lycée Saint Michel (Distrika Mandoto) ny hetsika. Ao Menabe kosa izy ny Zoma 19 Septambra 2025, ao Miandrivazo, amin’ny Kianja malalaka Rasalimo. Handalo ao Mahabo, manoloana ny Biraon’ny Distrika, ny 22 Septambra 2025 ary ny Alakamisy 25 Septambra 2025, kosa dia ao amin’ny Katolika Morondava Centre.
Marihina fa amin’izao fotoana, raha ny fanazavan’ny Vadin’ny Filoha dia efa miisa 12 ireo « clinique mobile » miasa, raha niainga tamin’ny iray monja tamin’ny taona 2020.