• Cours de change
  • 5172.59 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Anr
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : Tsy hiala, mbola hanarina sy hanova an'i Madagasikara

29/09/2025 08:45 © Moov

Tsy tapitra hatreo ny ezaka efa natomboky ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nambarany omaly fa hanova ny fitantanana ny firenena ny tenany, mba hanoratana tantara tsaratsara kokoa. Tsy azo heverina hatreto ny hametrahany fialana sy handravany ny governemanta.

Nitsidika ny Gara lamasinina Anosibe sy ny Tana Water Front Ambodivona ny delegasiona notarihin'ny Filoham-pirenena omaly alahady 28 septambra. Anisan'ireo niara-dia tamin'ny filoha ny Ben'ny Tanàna an' Antananarivo Harilala Ramanantsoa, ny Governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle sy ny Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Boriborintany faha-4 Rafidimanana Fidy Désiré. Nijery ifotony ireo fahasimbana nisy izy ireo, noho ny fandrobana niseho ny takariva sy ny alin'ny alakamisy 25 septambra.

Mpanorina fa tsy mpandrava

Naneho ny alahelony ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, manoloana ireo fahasimbana namoizana fananana an-tapitrisany maro. Nampahatsiahiviny ny vahoaka malagasy fa tsy vahaolana ny fanimbana fananana, na ny iombonana izany na ny an'olon-tsotra.
Mikasa ny hifampidinika amin'ireo tanora manao fitakiana ny fitondram-panjakana. Efa misy mantsy ireo vahaolana manoloana ny fahatapahan-jiro sy rano, ary mbola karohina ihany koa ny vahaolana fanampiny. Nilaza ny filoha fa "vonona hanarina ny fahadisoany izy, ary manaiky hibaby ny mety tsy fahombiazan'ireo olona notendreny". Tsiahivina moa fa efa natsahatra tamin'ny asany ny Ministry ny Angovo sy ny Akoranafo ny sabotsy 27 septambra lasa teo.

Lire la suite

Articles Similaires