Vary antanety : Hanamafy ny fahaleovan-tenan’ny mpamboly amin’ny famokarana masomboly ny tetikasa MAKIS
Tao anatin’ny roa taona izay, ny tetikasa MAKIS iarahan’ny FOFIFA sy ny CIRAD ary ny fikambanan’ny tantsaha VFTV (FIFATA) manatanteraka, dia niompana tamin’ny fanohanana ny mpamboly, isan’izany ny ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Ny tanjona dia ny hanatsara ny famokarana sy ny fizarana masomboly vary antanety, ary koa ny fanofanana mpamboly amin’ny teknika maharitra. Ny volana septambra 2025 teo dia notanterahina ny atrikasa famintinana sy adihevitra niaraka tamin’ireo mpamokatra, nanadihady ny vokatra azo sy ny lesona azo raisina manoloana izany.
Mitondra vokatra ara-toekarena
Nasehon’ny fanaraha-maso ara-teknika sy ara-toekarena fa tena manan-danja ho an’ny mpamboly ny famokarana masomboly. Araka ny valim-panadihadiana natao nandritra ny volana maro, ny tombom-barotra azon’ny mpamokatra dia mety hiovaova, mikasika ity vary antanety ity. Izany dia eo anelanelan’ny 30 000 hatramin’ny 150 000 Ariary isaky ny « are » na ny 100 metatra tora-droa. Miankina amin’ny vokatra azo izany, izay mety hahatratra 1 hatramin’ny 6 taonina isaky ny hektara, ary koa amin’ny vidiny izay miovaova eny an-tsena. Ity farany ity moa eo anelanelan’ny 2 000 ka hatramin’ny 3 500 Ariary isaky ny kilao.
Ho an’ireo mpamboly tafiditra ao amin’ny tambajotra Fifata Ofisialy, hita fa nahavita nampitombo ny vokatra nefa tsy nandany vola nihoatra, afa-tsy tamin’ny fividianana masomboly fototra sy ny karaman’ny mpiasa. Ireo vokatra ireo dia manaporofo fa afaka manampy ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny famokarana masomboly.
Ho amin’ny fahaleovan-tenan’ny tantsaha
Ankoatra ny fanadihadiana, nisy ihany koa ny famolavolana drafitra hahafahana mamaritra ny fomba fambolena azo atao arakaraka ny fiovana misy niarahana tamin’ny VFTV (FIFATA). Izany no natao mba hahitana ireo fomba hampitomboana ny fahazoana masomboly tsara kalitao eo anivon’ny vondron’ny mpamboly. Ity dingana ity dia manaporofo fa manana hery lehibe ho loharanom-bola sy fitaovana hanamafisana ny fahaleovan-tenan’ny mpamboly ny famokarana masomboly.
Tsara moa ny manamarika fa ny tetikasa MAKIS dia mampahafantatra fomba vaovao hampiroboroboana ny fahaiza-manao eny ifotony. Mampitombo ny fahafahana misafidy masomboly mifanaraka amin’ny tany sy ny toetr’andro izany, sady manampy ny tantsaha hanana hoavy ara-toekarena maharitra kokoa.