• Cours de change
  • 5172.59 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Dis-Nous Skispass
Image
Vaovao

Firaisamonim-pirenena : Miantso ny rehetra hiditra amin’ny fifampidinihana

01/10/2025 15:46 © Moov

Naneho ny heviny mikasika ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena. Ao anatin’izany ny CCOC, MSIS TATAO, ONG Ivorary, Liberty 32 ary ny PFnOSCM, nanao sonia fanambarana niaraka, androany alarobia 1 oktobra. Nanao antso ho an’ny Fiangonana sy ny hery velona rehetra ny hitondrana amin’ny dingan’ny fifampidinihana izy ireo, mba hisian’ny filaminana.

Ny mpitondra fivavahana no ho mpitarika izany

Miantso ny rehetra handray andraikitra ireto firaisamonim-pirenena ireto. Manoloana ny fitohizan’ny hetsika am-pilaminana nanomboka ny 25 Septambra 2025, izay miparitaka manerana an’i Madagasikara, ireo fikambanana nanao sonia ny fanambarana dia nanamafy fa ilaina ny fanomezana lanja ara-dalàna ity hetsika ity. Ny tanjona, hoy izy ireo, dia ny hisorohana ny firenena tsy hirodana anaty korontana na fifandonana anatiny. Raha tsiahivina dia mitaky fanjakana miorina amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana no tanjon’ity fitakiana am-pilaminana ity.
Araka ny fanambaran’izy ireo dia tsy maintsy misy ny fananganana drafitra iaraha-manasonia izay hitarika amin’ny fanavaozana ifotony ny firenena. Ity fanavaozana ity dia tokony hiorina amin’ny rafitra matanjaka, ny fangaraharana, ny tamberin’andraikitra ary ny fandraisana anjaran’ny vahoaka amin’ny demokrasia.
Ireo mpikambana ao amin’ny fiarahamonim-pirenena ireo moa dia miantefa manokana amin’ny mpitondra fivavahana, izay raisina ho “Ray aman-dReny” eo anivon’ny fiarahamonina. Araka ny filazan’izy ireo, ny Fiangonana no afaka mitondra sy manara-maso ny fifampidinihana, amin’ny maha sehatra itokisan’ny vahoaka azy. Araka izany, mangataka izy ireo ny hitarihan’ireo mpitondra fivavahana izany fifampidinihana izany.
« Manana vintana sarobidy hanova marina ny tantara isika”, hoy ny fanambarana navoakan’ireo fikambanana ireo. Miainga amin’ny fiarahan’ny rehetra anefa izany, hoy hatrany izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires