Fanatsaharana vohoka : Safidin’ny ankamaroan’ireo tanora tratran’ny vohoka tsy niriana
Nankalazaina omaly 28 septambra 2025 ny andro maneran-tany ho an'ny zo hampitsahatra vohoka amin’ny fomba voaaro. Ho antsika eto Madagasikara dia voararan’ny lalàna tanteraka izany fanalan-jaza na fampitsaharana vohoka izany, na inona na inona antony.
Fanalan-jaza, voararan’ny lalàna
Ny andininy faha-317 amin’ny fehezan-dalàna famaizana, nivoaka ny taona 2017, no mamaritra fa voararan’ny lalàna velona eto Madagasikara ny fampitsaharana ny fitondrana vohoka, na inona na inona antony. Miaraka voasazy amin’ilay vehivavy nampitsahatra ny vohoka ireo olona sokajiana ho mpiray tsikombakomba aminy, toy ny dokotera nanatanteraka ny fanalan-jaza ara-medikaly, na ny renin-jaza mety ho nanome tambavy, na koa ny vady na sakaizan’ilay vehivavy, izay nandrisika, na nanohana ny fanapahan-kevitra hampitsahatra ny vohoka.
Na eo aza anefa izany lalàna izany dia ambony ny tahan’ny fanalan-jaza eto Madagasikara, izay sokajiana ho an-tsokosoko avokoa, araka izany. Raha ny antontan’isa avy eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia tombanana ho 75.000 isan-taona ny trangana fanalan-jaza an-tsokosoko misy eto Madagasikara. Tsy tena misy antontan’isa tena azo antoka anefa, satria miafina ireo vehivavy manatanteraka izany fanatsahaana vohoka izany, na noho ny antony ara-pahasalamana aza, na ilay antsoina hoe : ITG.
Vohoka tsy niriana
Noho ny antony maro samy hafa anefa, toy ny tsy fahampian’ny fahalalan’ireo tanora momba ny fananahana sy ny fomba fandrindram-piterahana, dia ambony ny tahan’ny vohoka tsy niriana eto amintsika, indrindra eo amin’ny tanora. Araka ny tatitra novokarin’ny HEARD, oniversiten’i KwaZulu-Natal ao Afrika Atsimo, taorian’ny fanadihadiana notanterahin’izy ireo teto Madagasikara tamin’ny taona 2020, dia natsahatra avokoa ny 68% amin'ny vohoka tsy niriana, teo amin'ireo tanora nametrahan'izy ireo fanontaniana. Niara-niasa tamin’ny Oniversiten’Antananarivo ny oniversiten’i KwaZulu-Natal tamin’ny fanatanterahana izany fanadihadiana izany, ary notohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho n’ny Fampandrosona (PNUD) sy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ao Pays-Bas.
Tanora miisa 800 teto Antananarivo, Antsiranana, Toamasina ary Toliara no nohadihadiana, nandritra izany, ary lohahevitra isan-karazany no niarahana nidinika tamin'izy ireo, toy ny fampiasana fanabeazana aizana, ny fiarovan-tena amin'ny vohoka tsy niriana sy ny fanalan-jaza. Amin'ny ankapobeny dia noho ny fianarana no nahatonga ireo tanora tratran’ny vohoka tsy niriana nandray ny fanapahan-kevitra ny hampitsahatra vohoka. Maro tamin’izy ireo no mbola te hanohy fianarana, saingy tsy eken'ny sekoly hianatra ireo tovovavy mitondra vohoka. Eo ihany koa ny tahotra ny ray aman-dreny sy ny tery avy amin'ny fianakaviana, noho ny fiheverana fa mahamenatra sy manala baraka ny bevohoka tsy manambady.
Fanambaran’i Maputo
Tsy ireo tanora ihany anefa no miroso amin’ny fanatsaharana vohoka, noho ny antony samy hafa. Raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny fikambanana Nifin’akanga dia tsy mifidy taona, tsy mifidy saranga, na koa fari-pahaizana, ny fanalan-jaza, fa ahitana vehivavy nampitsahatra vohoka avokoa amin’ireo sokajy rehetra mety ho hita eny anivon’ny fiarahamonina malagasy. Mety hiteraka olana ara-pahasalamana ny fanalan-jaza, fa ambony kokoa ny tahan’ny loza aterany, rehefa atao an-tsokosoko izy. Araka ny hevitry ny avy eo anivon’ny Nifin’Akanga, dia zo fototra ary fitsaboana tena ilaina mba hiarovana sy hamonjena ny ain’ny vehivavy ny fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana. Izany indrindra no mahatonga azy ireo hiady ny mba tsy hanasoka¬jiana ny fanalan-jaza ho heloka. Tokony ho olona nahazo fiofanana anefa no manatanteraka ny fanatsaharana vohoka ary amin’ny toerana voatokana no hanaovana izany, hoy ny fanazavana.
Raha tsiahivina dia efa nisy ny volavolan-dalàna momba ny ITG natolotra teny amin’ny Antenimieram¬pirenena, tamin’ny taona 2021, mba hodi¬nihin’ny solombavambahoaka. Hatramin’izao anefa dia tsy naverina naroso sy tsy tafiditra tao anatin’ny lahadinik’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity izany. Etsy an-daniny, Lalàna iraisam-pirenena efa nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 2004, saingy mbola tsy nankatoavina, ny Fanambaran’i Maputo (Protocole de Maputo). Noho ny andininy faha-14(2) (c), izay miresaka momba ny zon’ny vehivavy ho amin’ny fahafahana mampitsahatra vohoka noho ny anton-javatra voafetra : vohoka vokatry ny herisetra, vohoka mety hampidi-doza ny ain’ny reny… no heverina fa sakana amin’ny tsy fankatoavan’i Madagasikara ity Fanambaran’i Maputo ity.