• Cours de change
  • 5172.59 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Faritra Menabe : Miisa 38 ireo toerana mahaliana azon’ny mpizahatany tsidihina

29/09/2025 21:05 © Moov.Mg

Manintona mpizahatany ny Faritra Menabe, na ireo mpitsidika avy any ivelany, na ireo mpiala sasatra avy eto an-toerana. Toerana miisa 6 ihany anefa no tena fantatry ny besinimaro, raha toa ka mitahiry toerana tsy manam-paharoa miisa 38 ity Faritra ity, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ofisim-paritry ny Fizahantany ao Menabe.

Faritra maro mpitsidika

Ny taona 2024 dia nandray mpizahatany mihoatra ny 46.000 i Menabe, araka ny nambaran’ny tale mpanatanteraky ny ofisim-paritry ny Fizahantany ao Menabe (ORTMen), Randriamanantena Hosea. Toerana faha-5 isan’ny maro mpitsidika indrindra eto Madagasikara izy, indrindra i Morondava, renivohitry ny Faritra. Miisa 38 ireo toerana azo tsidihina sy mahaliana ao anatin’ny Faritra, saingy ireto enina ireto no tena maro mpizaha, na tera-tany vahiny na Malagasy, araka ny fanazavana :
• Ny tampon-tanànan’i Morondava, izay ahitana ny tanànan’ireo mpanjono eny Betania, ny moron-dranomasin’i Kimony, ary ny Centre Écotouristique du Menabe (CEM) eny Betela
• Ny « Allée des Baobabs »
• Ny alan’i Kirindy
• Ny faritra arovana Kirindy Mite mihazo an’i Belo sur mer
• Ny fidinana an’i Tsiribihina, miainga eo Miandrivazo
• Ny fitsidihana ny tangoron-tendrombohitra Makay (Massif de Makay) izay ankafizin’ireo mpizahatany mpianjoria (touristes d’aventure), saingy efa manintona ireo karazana mpizahatany rehetra ihany koa.

Mahaliana ireo mpizahatany ihany koa ny fitsidihana ny Tsingin’i Bemaraha, izay tsy ao anatin’ny Faritra Menabe fa lalovana kosa ity Faritra ity raha handeha ho any.

Miroborobo ny fizahantany anatiny

Raha jerena amin’ieo antontan’isa voarakitra isam-bolana, dia heverin’ny tomponandraikitry ny fizahantany any an-toerana, fa hitombo lavitra noho ny tamin’ny taona 2024 ny isan’ireo mpitsidika an’i Menabe ho an’ity taona 2025 ity. Miankina amin’izay mety ho fizotran’ny toe-draharaham-pirenena ihany koa anefa izany. Miroborobo rahateo ny fizahantany anatiny, raha ho an’ny Faitra Menabe, hoy Randriamanantena Hosea, na dia mametraka sakana kely aza ny fahasimban’ny lalam-pirenena. Nandritra ny fialan-tsasatra lehibe tamin’ity taona ity, araka ny fanazavana, dia nandray mpiala sasatra marobe avy eto an-toerana i Morondava sy ny Faritra Menabe. Isan’ny nampitombo be ny isan’ny mpitsidika, nandritra ny volana jolay, aogositra sy septambra, ny fisian’ireo mpanao seminera sy mpizaika izay nisafidy ny Faritra, hoy izy.
Efa manana fotodrafitrasa maro afaka mandray vahiny rahateo, raha i Morondava manokana, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny ORTMen, na hôtely izany, na « maison d’hôte ». Etsy an-daniny, nanaovana ezaka manokana ny fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna, ka tsy malaza ratsy amin’ny loton’ny moron-tsiraka ao aminy intsony i Morondava.

Lire la suite

Articles Similaires