• Cours de change
  • 5233.05 AR
  • |
  • $4524.77 AR
Copyright Image : © Bace Mef
Image
Vaovao

Toekarena manga : Nahazo toeram-piofanana momba ny fiompiana trondro ny tanora ao Taolagnaro

18/12/2025 08:59 © Moov

Ho fampiroboroboana ny sehatry ny jono, izay mampalaza ny faritra atsimo, dia notokanan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, omaly, ny Foibe Fiofanana momba ny fiompiana trondro, ao amin’ny FLM Manantantely.

Fampizakan-tena ny tanora

Ny tanora no tena hahazo tombony betsaka amin’ity ivontoeram-pampiofanana ity. Miisa 250 000 ireo mpisitraka ny AFAFI-Sud, izay ivon’ny fahazoana ity toerana ity, ao Androy, Anôsy ary Atsimo Atsinanana. Mitentina 31,5 tapitrisa euros ny teti-bolan’ny fandaharanasa. Nahazo famatsiam-bola 834 tapitrisa ariary, avy amin’izany, ity ao Manatantely ity, ary hanome fiofanana ho an’ny tanora mba hahazo asa na asan-tena. Anisan'ny tanjony ny fametrahana ny jono sy ny fiompiana trondro ho ivon'ny fampandrosoana ara-toe-karena sy ara-tsosialy eny ifotony. Araka izany, raisina ho ivon’ny fampandrosoana ihany koa ny tanora. Vina ny hamokaran’izy ireo zana-trondro hatramin’ny 3 tapitrisa isan-taona.
Fotodrafitrasa maoderina no nahorina : efitrano fiofanana, laboratoara fanatobiana zana-trondro, dobo fiompiana trondro miisa valo ho fampianarana, herinaratra avy amin’ny masoandro ary tambajotra famatsian-drano feno.

Fampitaovana ny mpanjono

Amin’ny maha-toerana mpamokatra trondro, iny faritra iny dia nahazo fampitaovana ihany koa ireo mpanjono, ao an-toerana. Fitaovana manara-penitra toy ny lakana fibre de verre miisa 200, motera, fitaovana fanjonoana, radio VHF, GPS, gilet de sauvetage, vata fampangatsiahana mandeha amin’ny masoandro, glacières ary moto-tricycles ho an’ny fitaterana. Isan’ny anton’izany, hoy ny Minisitry ny jono, Chan Kit Waye Jaco, ny fiarovana ny ain’ireo mpanjono, ary ihany koa ny hampitomboana ny faharetan’ny asa jono sy hampihenana ny fatiantoka aorian’ny jono.
Manoloana izany dia nilaza ny Filohan’ny fanavozana fa « tsy misy atao zanak’Ikala hafa, ny Malagasy rehetra ary omena lanja avokoa, indrindra ny famokarana eny ifotony ». Marihina fa fiaraha-miasan’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Repoblika Federalin’i Alemana amin’i Madagasikara, no nahazoana ireto fotodrafitrasa sy fitaovana ireto.

Lire la suite

Articles Similaires