• Cours de change
  • 5239.35 AR
  • |
  • $4533.5 AR
Copyright Image : © Yas
Image
Vaovao

Ankatoky ny Noely : Mpianatry ny EPP miisa 2.500 no nizaran’ny Yas Madagascar hafaliana

18/12/2025 15:41 © Moov.Mg

Ankizy mpianatry ny sekoly ambaratonga fototra miankina amin’ny Fanjakana (EPP) an’arivony, eto Antananarivo renivohitra, no nizaran’ny Yas Madagascar hafaliana, amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao.

Fandraisana andraikitra ara-tsôsialin’ny orinasa

Vanim-potoana fanehoana firaisan-kina sy fizarana hafaliana ny fetin’ny faran’ny taona tahaka izao. Izany indrindra no nahatonga ny Yas Madagascar nampifaly ireo ankizy mpianatry ny EPP eto an-drenivohitra. Mpianatra miisa 2.500 izy ireo no nisitraka izany fifampizarana izany, avy amin’ny EPP miisa 4, dia ny EPP Antanimena II izay sady sekoly Yas, ny EPP 67 ha Atsimo, ny EPP Antsahabe ary ny EPP Ampasanisadoda.

Efa misitraka ny fanabeazana ara-nomerika tohanan’ny Yas ireo sekoly ireo, izay isan’ny ahitana ankizy marefo, fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia te hampifaly azy ireo ity orinasam-pifandraisan-davitra ity. Tafiditra ao anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsôsialin’ny orinasa (RSE) rahateo izany.

Asa fanasoavana ny mpiara-belona

Etsy an-daniny, adidy efa noraisin’ny Vondron’orinasa Axian, izay misy ny Yas, ny fanaovana asa soa isan-karazany amin’ny mpiara-belona, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ao anatin’ny fandaharanasa ACT, ny mpiasa tsirairay ao anatin’ny vondrona dia samy manokana andro roa isan-taona, amin’ny ora fiasany, hanatanterahana asa fanasoavana ho an’ny mpiara-belona. Raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2024, ohatra, dia nisy 84 ireo asa fanasoavana nandraisan’ny vondrona Axian anjara.

Ho an’ity hetsika Noely mizara hafaliana taona 2025 ity dia mpiara-miasa eo anivon’ny Yas Madagascar miisa 120 no nifandrimbona. Nikarakara koba mamy ho an’ireo ankizy izy ireo ary nizara izany ihany koa, niaraka tamin’ny zava-pisotro. Fiaraha-miasa tamin’ny Inviso Group no nahazoana izany koba izany.
Nanomboka ny alatsinainy 15 desambra 2025 teo ity hetsika « Noely mizara hafaliana » notanterahin’ny Yas Madagascar ity, ary nitohy nandritra ny herinandro.

Lire la suite

Articles Similaires