• Cours de change
  • 5253.35 AR
  • |
  • $4543.4 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Fanadiovana sy fahadiovana : Faritra 17 nisitraka fitaovana sy kojakoja eo amin’ny sehatry ny WASH

19/12/2025 10:38 © Moov

Faritra miisa 17 no nahazo fitaovana, mikasika ny rano, fanadiovana sy ny fahadiovana (WASH) avy amin’ny UNICEF sy ny Fanjakana Kanadiana. Izany no natao mba ho fanamafisana ny ady amin’ny aretina samihafa vokatry ny loto, indrindra aorian’ny fandalovan’ny loza voajanahary.

Fitaovana ilaina maika

Manolona indrindra ny loza voajanahary maro, mety hahavoa an’i Madagasikara dia manamafy ny fomba fiasany hiadiana amin’ny loto sy ny aretina aterak’izany i Madagasikara. Araka izany, azo lazaina ho fitaovana ilaina maika, ary tsy maintsy hatolotra ho ampiasain’ny Malagasy ireto. Tafiditra ao avokoa mantsy na ireo fitaovana entina manadio rano na ireo fitaovana ho ampiasain’ireo mpanadio ny rano na ireo ho ampiasaina isan-tokantrano, mba hitandroana ny fahadiovana. Ahitana karazany izany dia ny « hypochlorite de calcium », « gels et solutions hydroalcooliques », « pulvérisateurs », « gants », « combinaisons jetables », « lunettes de protection », savony, « dalles sanitaires », « conteneurs d’eau », ary ny « EWTU(Unité de Traitement des Eaux Usées d’urgence) ».
Marihina fa rehefa fotoan’ny loza voajanahary dia saika marefo hatrany ireo faritra, mety handalovany, indrindra eo amin’ny fahadiovan’ny rano, miteraka aretina samihafa, ka antony nanamafisana ny fanolorana ireto fitaovana ireto. Faritra miisa 17 araka izany no hisitraka azy ireo. Isan’izany ny faritra Diana, Sava, Analanjirofo, Sofia, Boeny, Betsiboka, Atsinanana, Atsimo-Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Vakinankaratra, Anosy, Androy, Atsimo-Andrefana, Menabe, Analamanga ary Alaotra Mangoro.
Fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, amin’ny Fanjakana Kanadianina sy ny UNICEF ity. Nanamafy ny Minisitra, Dr Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia, fa zava-dehibe ity fiaraha-miasa ity, amin’ny fanamafisana ny fahavononana ary ny fandraisana andraikitra amin’ny toe-javatra hamehana. Nanambara, ny tenany fa hitohy sy hihamafy hatrany ity fiaraha-miasa ity ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires