• Cours de change
  • 5253.35 AR
  • |
  • $4543.4 AR
Copyright Image : © Fanja Andriamanantena
Image
Vaovao

Fanja Andriamanantena : Hamoaka « Coffret Collector », ho fankalazana ny faha-80 taonany

19/12/2025 15:42 © Moov.Mg

Tsingerin-taona telo sosona no homarihin’i Fanja Andriamanantena rahampitso 20 desambra 2025, eny amin’ny Makay Lounge Analamahitsy. Amin’io fotoana io ihany koa no hamoahany ny « Collector », izay hamondronany ireo tsiaro isan-karazany nanamarika ireo taona maro nilonany tao anatin’ny mozika.

Tsingerin-taona telo sosona

Tsingerin-taona faha-80 nahaterahany, Tsingerin-taona faha-60 nilalaovany mozika, tsingerin-taona faha-20 nisian’ny « Mozika Tsotra Izao », ireo no indray hankalazain’i Fanja Andriamanan-tena, sy ireo zandry/zanaka, nifampizara mozika taminy, rahampitso 20 desambra 2025, eny amin’ny Makay Lounge Analamahitsy, mandritra ny 12 ora be izao.

Hanomboka amin’ny 11 ora ny fotoana, ka mandritra izany dia hisy ny fampirantiana sary sy ny fandefasana horonan-tsary, izay hitsiahivana ireo fotoana mamy niarahana tamin’i Fanja Andriamanantena. Hisy ihany koa ny « piano » izay ho azo lalaovina malalaka. Ankoatra izay, mandritra ity tapany maraina ity, sy ny tolakandro, dia ho afaka hitafatafa amin’i Fanja Andriamanantena ireo mpankafy, ary hametraka ny rango-tsiarony (autographe) amin’ireo « Coffret Collector » izy. Hifarana amin’ny 5 ora hariva io tapany voalohany io ary tsy misy vidim-pidirana.

« Collector », boaty feno fahatsiarovana

Ity antsoina hoe : « Collector » ity moa dia boaty iray, mirakitra boky ahitana takila 33, mitantara ireo dingam-piainan’i Fanja Andriamanantena tao anatin’ny tontolon’ny mozika, ary tsy ho hita any anaty aterineto hatreto, araka ny nambarany. Ao anatiny ao ihany koa no ahitana « flashdisk », izay hahafahana mianoka indray ireo raki-peo « Mozika Tsotra Izao » 1, 2 sy 3, ary koa ireo raki-peo « Ravin-dohataona » sy « Soa fa tia ». Mbola miampy hira hafa izany, izay misy no efa nahafantarana an’i Fanja Andriamanantena hatramin’izay ary misy koa no vaovao. Mbola ho hita ao anatiny ihany koa ny « flashdisk » iray hafa, izay hahafahana mamerina mijery ireo fampisehoana « Mozika Tsotra Izao » miisa telo, natao tamin’ny taona 2020,2022 ary 2023. Ankoatra ireo, zarain’i Fanja Andriamanantena ao anatin’io « Collector » io ireo sary isan’ny nanamarika ny fiainany, niarahany niasa tamin’ireo mpaka sary namany. Manodidina ny 250 no isan’izany sary izany. Tsy maro, fa 100 isa ihany no novokarina tamin’ity « Collector » ity.

Hofaranana amin’ny fampisehoana, hiarahan’i Fanja Andriamanantena manatanteraka amin’ireo namany, ity andro fankalazana tsingerin-taona ity. Isan’ny hiara-hiaka-tsehatra aminy i Silo, Faniah, Arison Vonjy, Poon, Kiady, Nanie, Joely sy ny hafa koa. Hanomboka amin’ny 8 ora alina izany fampisehoana izany.

Lire la suite

Articles Similaires