• Cours de change
  • 5253.35 AR
  • |
  • $4543.4 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahasalaman’ny saina : Lafo sady sarotra ny fahazoana fanafody fitsaboana eto Madagasikara

19/12/2025 12:03 © Moov.Mg

Mbola atao ambanin-javatra, amin’ny lafiny rehetra, ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara, araka ny tsapan’ireo mpisehatra momba izany. Mila omena lanja, araka izany ity sehatra iray ity, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ara-bola. Izany indrindra no antony namorian’ny vovonana SMSPS ireo mpiara-miombona antoka, omaly teny Anosy.

Fahasalaman’ny saina, sehatra sy misy mpanohana

« Iaraha-mahita eny an-dalana, eny anivon’ny fiarahamonina, eny na ao an-tokantrano aza, fa maro ireo « mivaralila », nefa toa tsy misy miraharaha », araka ny nambaran’ny Pr Raharivelo Adeline, manam-pahaizana manokana momba ny atidoha sy ny saina (neuropsychiatre), mpitsabo eo anivon'ny hôpitaly Befelatanana sady lehiben’ny vovonana SMSPS (Santé Mentale et Soutien Psychosocial). Eto Madagasikara dia mbola ambanin-javatra ny fahasalaman’ny saina, araka ny nambarany hatrany, noho ny antony samihafa. Isan’izany ny fiheverana fa mbola fady ny miresaka azy ity.

Araka izany, tsy misy mpanohana ny sehatry ny fahasalaman’ny saina. Mba hanovana izany toe-java-misy izany dia namory ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombona antoka ny vovonana SMSPS omaly, teny Anosy, nanentana azy ireo mba hiara-hiasa amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny sain’ny Malagasy, satria tsy vitan’oln-tokana izany, hoy ny Pr Raharivelo Adeline.

Mananosarotra ny fahazoana fanafody

Ny tsy fisian’ny famatsiam-bola ho an’ity sehatra ity no isan’ny mahasarotra ny fandraisana an-tanana ireo olona tratran’ny fikorontanan-tsaina. Ohatra nomen’ny Pr Raharivelo Adeline ny momba ny fanafody fitsaboana vonjy taitra (urgence psychiatrique). Mbola tsindrona no ampiasaina eto Madagasikara, raha toa ka efa karazam-panafody hafa no ampiasaina any amin’ireo firenena hafa, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny SMSPS. Tsy vitan’izany, fa mbola sarotra ny ahitana izany fanafody izany eto Madagasikara no sady lafo ihany koa ny vidiny.
Fanamby goavana anankiray, ny tsy fananan’i Madagasikara antontan’isa mazava momba ny fahasalaman’ny saina, nefa izany dia fitaovana manan-danja, hahafahana mandresy lahatra ireo mpiara-miombona antoka hanampy eo amin’io sehatra io, hoy ny Pr Raharivelo Adeline. Raha ny antontan’isa nomen’ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar, tamin’ny taona 2023, dia tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo olona tratran’ny fikorontanan-tsaina eto amintsika. Tobim-pitsaboana telo eto Antananarivo no nahazoana antontan’isa, dia Befelatanana, Anjanamasina ary ny hôpitalin’i Soavinandriana. Ny 17,6%-n’ireo marary no nanatona tobim-pitsaboana saina, vokatry ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina tsy voafaritra ; 12,5% no miankin-doha amin'ny alikaola ; 11% ireo mpandray rôrô ; 8,1% ireo tratran'ny "schizophrénie" ary 4,8% ireo tratran'ny "trouble bipolaire".

Noho ireo zava-misy ireo dia miantso ny fanohanan’ireo mpiara-miombona antoka rehetra ny SMSPS, mba tsy ho lasa ambanin-javatra tahaka izao fotana ny fahasalaman’ny saina.

Lire la suite

Articles Similaires